1 Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy; 2 lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin' ny andro namoronany azy. 3 Ary rehefa telo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. 4 Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 5 Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-nolo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 6 Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy. 7 Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 8 Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; 9 Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan' i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy. 10 Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy; 11 Ary ny andro rehetra niainan' i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy. 12 Ary rehefa fito-nolo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy. 13 Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-nolo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 14 Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 15 Ary rehefa dimy amby enim-nolo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i lareda izy. 16 Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i lareda dia telo-nolo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 17 Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy. 18 Ary rehefa roa amby enim-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy. 19 Ary ny andro niainan'i lareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 20 Ary ny andro rehetra niainan'i lareda dia roa amby enim-nolo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 21 Ary rehefa dimy amby enim-nolo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy. 22 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 23 Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-nolo amby telon-jato taona. 24 Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. 25 Ary rehefa fito amby valo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy. 26 Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-nolo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 27 Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-nolo amby sivin-jato taona; dia maty izy. 28 Ary rehefa roa amby valo-nolo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; 29 ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hamnionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tànantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah. 30 Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. 31 Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-nolo amby fiton-jato taona; dia maty izy. 32 Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary lafeta izy.