1 ARY Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo. 2 Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman­ondry sy volafotsy ary volamena. 3 Ary mbo­la nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatra­ny amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay, 4 dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama. 5 Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay. 6 Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy. 7 Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kana­nita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay. 8 Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpian­dry ombinao, fa mpirahalahy isika. 9 Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masina hianao, aoka hisaraka amiko hianao; raha hianavaratra hianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo hianao, dia hianavaratra kosa aho. 10 Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatra­ny akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta. 11 Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy. 12 Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana, fa Lota kosa nonina tao an-tanąna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. 13 Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpano­ta indrindra tamin'i Jehovah. 14 Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy mianka­ndrefana; 15 fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrak­izay. 16 Ary hataoko maro tahaka ny vovo­tany ny taranakao; koa raha misy olona mahi­sa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao. 17 Miaingą hianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy. 18 Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.