1 ARY Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompo­vavy Egyptiana, Hagara no anarany. 2 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masina hianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; anga­mba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. 16:3 Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpano­mpovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny. 4 Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan-anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan-anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. 5 Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan-anaka izy, dia na­taony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy hianao. 6 Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tąnanao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy. 7 Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo ani1an'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny ląlana mankany Sora. 8 Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza hianao? ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho. 9 Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. 10 Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany. 11 Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan­anaka hianao ka hiteraka zazalahy, ary ny ana­rany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. 12 Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tąnany hamely ny olona rehetra, ary ny tąnan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. 13 Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andria­manitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana? 14 Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany. 15 Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay na­terany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela. 16 Ary efa enina amby valo-polo taona Abra­ma, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.