1 ARY Jehovah niseho tamin'i Abraha­ma teo an-kazo terebintan'i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran'ny lainy izy, raha nafana ny andro; 2 dia nanopy ny maso­ny izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran'ny lainy ka nlhazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin'ny tany 3 ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masėna hianao, aza dia mandalo ny mpanomponao. 4 Aoka hangalana rano kely hianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo hianareo; 5 dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany hianareo; fa tonga aty amin'ny mpanomponareo hianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao. 6 Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin'i Saraha ka nanao hoe: Faingana, maka koba tsara toto intelon'ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo. 7 Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin'ny omby, dia naka zanak'omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin'ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy. 8 Ary Abrahama naka ronono mandry sy rono­no ary ilay zanak'omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan'izy telo lahy; ary nianona teo anilany teo ambanin'ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy. 9 Ary hoy izy telo lahy tamin'i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy. 10 Ary hoy Izy: Hive­rina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran'ny lay, izay teo ivohon'Ilay niteny. 11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha. 12 Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy? 13 Ary hoy Jehovah tamin'i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao? 14 Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain'i Jehovah va? Amin'ny fotoan'andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy. 15 Dia nandā Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy hianao. 16 DIA nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an'i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy. 17 Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin'i Abrahama va izay hataoko? 18 Fa Abraha­ma ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 19 Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany ma­ndimby azy hitandreman'ireo ny lalān'i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran'i Jehovah amin'i Abrahama izay efa nolazainy taminy. 20 Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan'i Sodo­ma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny faho­tany dia mavesatra indrindra; 21 hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan'ny tany, izay efa tonga aty amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro. 22 Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan'i Jehovah. 23 Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin'ny meloka va ny marina? 24 Angamba misy olo-marina di­mam-polo ao an-tanāna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanāana noho ny dimam-polo marina izay ao? 25 Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin'ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra? 26 Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanāna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanāna rehetra noho ireny. 27 Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona: 28 Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanāna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao. 29 Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo. 30 Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao. 31 ArY hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin'ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringa­na azy Aho noho ny roa-polo. 32 Ary hoy izy: Aoka anie mba tiy ho tezi­tra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo. 33 Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin'i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin'ny fonenany.