1 DIA nifindra niala teo Abrahama nankany amin'ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan'i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy. 2 Ary hoy ny filazan'i Abrahama an'i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan'i Gerara, nampaka an'i Saraha. 3 Fa Andriamanitra nankeo amin'i Abime­leka, tamin'ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty hianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin'olona izy. 4 Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina? 5 Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary rave­hivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin'ny fahatsoran'ny foko sy ny fahadiovan'ny tànako no nanaovako izany. 6 Ary hoy Andriamanitra taminy tamin'ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin'ny fahatsoran'ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy. 7 Ary ankehitriny avereno ny va­din-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona hianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa hianao, dia hianao mbamin'izay rehetra mety ho anao. 8 Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nana­mbara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona. 9 Ary Abimeleka dia nampaka an'i Abraha­ma ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin'ny fanjakako hianao? zava­tra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko. 10 Ary hoy koa Abimeleka tamin'i Abraha­ma: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany hianao? 11 Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an'Andriamanitra tokoa amin'ity tany ity, ka hovonoin'ny olona aho noho ny amin'ny vadiko. 12 Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin'ny raiko, fa tsy mba zanakavavin'ny reniko; ka dia nanambady azy aho. 13 Ary raha na­mpifindrafindra ahy hiala tamin'ny tranon'ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin'ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin'izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy. 14 Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an'i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy. 15 Ary hoy Abimeleka: In­dro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin'izay tianao. 16 Ary hoy kosa izy tamin'i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena­maso aminao izany, dia amin'izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny hianao ny amin'izany rehetra izany. 17 Ary Abrahama dia nifona tamin'Andria­manitra; ary Andriamanitra nahasitrana an'i Abimeleka sy ny vadiny mbamin'ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo. 18 Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin'ny ankohonan'i Abimeleka noho ny amin'i Saraha, vadin'i Abrahama.