1 DIA niainga Jakoba ka nankany amin'ny tanin'ny zanaky ny atsinanana. 2 Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsaka­na tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman-osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin'izany lavaka fantsakana izany no fa­mpisotroan'ny olona ny andian'ny ondry aman-osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan'ny fantsakana. 3 Ary nangonina teo ny andi­an'ny ondry aman-osy rehetra, dia nakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman-osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan'ny lavaka fantsakana ho amin'ny fitoerany. 4 Ary hoy Jakoba tamin'ny olona: Ry raha­lahiko, avy aiza moa hianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay. 5 Ary hoy izy tami­ny: Moa mba fantatrareo va Labana, zanaka­lahin'i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany. 6 Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zanani-vavy mitondra ny ondry aman-osy. 7 Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin'ny fotoana famoriana ny omby aman-ondry; ampisotroy ny ondry aman-osy, dia andeha, andraso. 8 Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian'ny ondry aman-osy rehetra, ka hakodian'ny olona ny vato hiala amin'ny vavan'ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman-osy izahay. 9 Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman-osin­drainy; fa mpiandry ondry izy. 10 Ary rehefa hitan'i Jakoba Rahely, zanakavavin'i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman-osin'i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin'ny vavan'ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman-osin'i Labana anadahin-dreniny izy. 11 Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany. 12 Dia nambaran'i Jakoba tamin-dRahe]y fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia niha­zakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy. 13 Ary rehefa ren'i Labana ny filazany an'i Jakoba, zanak'anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran'i Jakoba tamin'i Labana izany rehetra izany. 14 Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa hianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba, 15 dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza hianao, dia hano­mpo ahy maina va ? Lazao amiko izay ho kara­manao. 16 Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran'ny zokiny, ary Rahely no anaran'ny zandriny. 17 Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikana sady tsara tarehy. 18 Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy. 19 Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko. 20 Dia nanompo an'i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy. 21 Ary hoy Jakoba tamin'i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr'androko. 22 Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana. 23 Kanjo nony hariva dia naka an'i Lea zanani-vavy izy ka nitondra azy ho any amin'i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba. 24 Ary nomen'i Labana an'i Lea zanani-vavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy. 25 Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin'i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? ka nahoana no nofitahi­nao aho? 26 Dia hoy Labana: Tsy fanao aty amin'ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan'ny zokiny. 27 Tanteraho ny herina­ndron'ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray. 28 Dia nataon'i Jakoba izany, ka notante­rahiny ny herinandrony; dia nomen'i Labana azy koa Rahe]y zananivavy ho vadiny. 29 Ary nomen'i Labana an-dRahely zanani-vavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy. 30 Dia novadin'i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an'i Laba­na fito taona indray izy. 31 Ary rehefa hitan'i Jehovah fa nankaha­laina Lea, dia nampanan-anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely. 32 Dia nanan-anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia na­taony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian'ny vadiko aho. 33 Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren'i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany. 34 Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy. 29:35 Dia nanan-anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an'i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.