1 ARY hoy Andriamanitra tamin'i Jakoba: Miaingą, miakara any Betela hianao ka monena any; ary manorena alitara any ho an'Andriamanitra Izay niseho taminao, fony hianao nandositra ny tavan'i Esao rahalahinao. 2 Dia hoy Jakoba tamin'izay tao an-tranony mbamin'izay rehetra nomba azy: Ario ireo andriamani-kafa, izay ao aminareo, dia madiova, sady ovay ny fitafianareo; 35:3 ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela; ary hanao alitara any aho ho an'Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin'ny andron'ny fahoriako ary nomba ahy tamin'ny ląlana izay nalehako. 4 Dia natolony teo amin'i Jakoba ny andriamani-kafa rehetra izay notąnany sy ny kavina izay teny an-tsofiny; ary dia nalevin'i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin'i Sekema ireo. 5 Dia lasa nandeha izy; ary nisy tahotra avy amin'Andriamanitra nahazo ny tanąna man­odidina azy, ka tsy nanenjika ny zanak'i Jakoba izy. 6 Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany), izay any amin'ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. 7 Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El­betela no anaran'izany tany izany; fa teo no nisehoan'Andriamanitra taminy, fony izy nandositra ny tavan'ny rahalahiny. 8 Ary maty Debora, mpitaiza an-dRebeka, ka naleviny tao am-pototr'i Betela, teo amba­nin'ny hazo ōka; ary ny anaran'io dia nataony hoe Alona-bakota. 9 Ary Andriamanitra niseho indray tamin'i Jakoba, raha tonga avy tany Mesopotamia izy, ka nitahy azy. 10 Ary hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao; nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao, fa Isiraely ny anaranao; dia nataony hoe Isiraely no ana­rany. 11 Ary hoy Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; maroa fara sy mihabetsaha; firenena maro no hiseho avy aminao, ary hisy mpanjaka amin'ny haterakao; 12 ary ny tany izay nomeko an'i Abrahama sy Isaka dia homeko anao; ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany. 13 Ary Andriamanitra niakatra niala tami­ny, teo amin'ilay niresahany taminy. 14 Ary Jakoba dia nanorina tsangam-bato teo amin'ny fitoerana izay niresahany taminy ka nanidina fanatitra aidina teo aminy sady nampidina diloilo teo aminy koa. 15 Ary ny anaran'ny tany izay niresahan'Andriamanitra tami­ny dia nataon'i Jakoba hoe Betela. 16 DIA nifindra niala tany Betela izy; ary nony efa kely foana no sisa tsy nahatongavany tao Efrata, dia nihetsi-jaza Rahely sady sarotiny. 17 Ary nony sarotiny toy izany izy, dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza mata­hotra hianao; fa izato koa no zazalahy ho anao. 18 Ary rehefa hiala aina (fa maty izy), dia nataony hoe Benony ny anarany; fa ny rainy kosa nanao azy hoe Benjamina. 19 Dia maty Rahely ka nalevina teo amin'ny ląlana ma­nkany Efrata (Betlehema izany). 20 Ary Jakoba nanorina tsangam-bato teo ambonin'ny fasany, dia ilay tsangam-bato ao amin'ny fasan-dRahely mandraka andro-any. 21 Dia lasa nifindra Isiraely ka nanorina ny lainy tao ankoatr'i Migdaledera. 22 Ary raha nonina teo amin'izany tany izany Isiraely, dia avy Robena ka nandry tamin'i Bila, vadi-tsindranon-drainy; ary nahare izany Isiraely. 23 Ary ny zanakalahin'i Jakoba dia roa ambin'ny folo mirahalahy: ny zanak'i Lea dia Robena, lahimatoan'i Jakoba, sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara ary Zebolona; 24 ny zana-dRahely kosa dia Josefa sy Benjami­na; 25 ary ny zanak'i Bila, ankizivavin-dRahely, kosa dia Dana sy Naftaly; 26 ary ny zanak'i Zilpa, ankizivavin'i Lea, kosa dia Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin'i Jakoba izay naterany tany Mesopotamia. 27 Ary Jakoba nankany amin'Isaka rainy tany Mamre, any Kiriat-arba (Hebrona iza­ny), izay nivahinian'i Abrahama sy Isaka. 28 Ary ny andro niainan'Isaka dia valo­polo amby zato taona. 29 Dia niala aina Isaka ka maty, ary voangona any amin'ny razany, rehefa tratrantitra sady ela niainana izy; ary dia nandevina azy Esao sy Jakoba zanani-lahy.