1 ARY Jakoba nonina tany amin'ny tany fivahinian'ny rainy, dia tany amin'ny tany Kanana. 2 Ary izao no tantaran'i Jako­ba: Rehefa fito ambin'ny folo taona Josefa, dia niara-niandry ondry tamin'ny rahalahiny izy (fa mbola zaza izy), dia tamin'ny zanak'i Bila sy ny zanak'i Zilpa, vadin'i Jakoba rainy; ary Josefa nitati-bolana tamin-drainy. 3 Ary tian'Isiraely mihoatra noho ny zanany rehetra Josefa, satria zanaky ny fahanterany izy, ka nanaovany akanjo lava. 4 Ary nony hitan'ny rahalahiny fa Josefa no tian'ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy, dia nankahala azy izy ka tsy nahazaka hanao teny tsara taminy. 5 Ary nanonofy Josefa, ka nambarany ta­min'ireo rahalahiny; dia vao mainka nanka­halany azy izany. 6 Fa efa nilaza taminy hoe izy: Mba henoy kely ange izao nofy izao: 7 Indro, namehy amboara tany an-tsaha isika, ary, indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary, indreo, nilahatra manodidina kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan'ny amboarako. 8 Ary hoy ny rahalahiny ta­miny: Moa hanjaka aminay tokoa va hianao? na hanapaka anay tokoa va hianao? Ary izany nofiny sy teniny izany dia vao mainka nankahalany azy. 9 Ary nanonofy indray izy ka nolazainy tamin'ny rahalahiny; dia hoy izy: Indro, nanonofy indray aho; ary, indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika ambin'ny folo niankohoka teo anatrehako. 10 Ary nambarany tamin'ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany; dia niteny mafy azy ny rainy ka nanao taminy hoe: Manao ahoana izany nofy efa nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin'ny tany eo anatrehanao? 11 Dia nialona azy ny rahalahiny; fa ny rainy kosa nitadidy izany zavatra izany. 12 Ary lasa ny rahalahiny niandry ny ondrin'ny rainy tany Sekema. 13 Ary hoy Isiraely tamin'i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia mba hirahiko hankany aminy hianao. Ary hoy izy taminy: Inty Aho. 14 Ary hoy ny rainy taminy: Masìna hianao, andeha, izahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman-osy, na manao ahoana; ka miverena hilaza amiko. Dia nirahiny hiala avy teo amin'ny lohasahan'i Hebrona izy, dia nankany Sekema. 15 Ary nisy lehilahy nahita azy, fa, indro, nire­nireny tany an-tsaha izy; dia nanontany azy ralehilahy ka nanao hoe: Inona moa notadiavinao? 16 Dia hoy kosa izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa masìna hianao, mba lazao amiko izay iandrasany ondry. 17 Ary hoy ralehi­lahy: Efa nifindra niala teto izy: fa efa reko izy niresaka hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa Josefa nanaraka ny rahalahiny ka nahita azy tany Dotana. 18 Ary nahatazana azy eny lavidavitra eny ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy Josefa, dia niray tetika hamono azy izy. 19 Dia niresaka hoe izy: Indro, tamy ilay mpanonofy. 20 Koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ka hatsipintsika ao anatin'ny anankiray amin'ireto lavaka ireto; ary dia aoka holazaintsika hoe: Efa lanin'ny biby masiaka izy; dia ho hitantsika amin'izany na hanao ahoana ny nofiny. 21 Ary Robena nandre izany, dia namonjy azy tamin'ny tànany ka nanao hoe: Aza dia mamono ny ainy isika. 22 Ary hoy koa Robe­na taminy: Aoka tsy handatsa-dra hianareo; atsipazo ao anatin'io lavaka ety an-efitra io izy, fa aza misy maninji-tànana aminy hianareo, mba hamonjeny azy amin'ny tànan'ny rahalahiny hitondrany azy any amin'ny rainy indray. 23 Ary rehefa tonga teo amin'ny rahalahiny Josefa, dia nendahany ny akanjony, dia ilay akanjo lava teny aminy; 24 dia nobetainy izy ka natsipiny tao an-davaka; ary maina ny lavaka tamin'izay, fa tsy nisy raino tao. 25 Ary nipetraka nihinan-kanina izy ireo, ary sendra nanopy ny masony ka nahatazana fa, indreo, nisy Isimaelita niara-dia, avy tany Gileada, ary ny ramevany nitondra ditin-kazo, dia nekota sy balsama ary lota, izay nentiny hidina any Egypta. 26 Ary hoy Joda tamin'ny rahalahiny: Inona no soa ho azo­ntsika, raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny rany isika? 27 Andeha hamidi­ntsika amin'ireo Isimaelita ireo izy, ary aoka tsy haninona azy ny tànantsika; fa rahalahintsika sy nofontsika ihany izy. Dia nanaiky ny rahalahiny. 28 Ary raha nandalo teo ny Midianita mpa­ndranto, dia nakarin'ny rahalahiny niala tao an-davaka Josefa ka namidiny sekely volafotsy roa-polo tamin'ny Isimaelita; ary dia nitondra an'i Josefa ho any Egypta ireo. 29 Dia niverina nankeo amin'ny lavaka Robena, ka, indro, tsy tao an-davaka intsony Josefa; dia nandriatra ny fitafiany izy. 30 Dia niverina nankeo amin'ny rahalahiny izy ka nanao hoe: Tsy ao ny zaza, ary izaho, aiza no halehako? 31 Ary nalain'ireo rahalahiny ilay akanjon'i Josefa, dia namono zanak'osy izy, ka natso­bony tamin'ny ra ny akanjo. 32 Dia nampan­ateriny ho any amin'ny rainy ilay akanjo, sady hoy no filazany azy: Ity no efa hitanay; koa fantaro na akanjon'ny zanakao ity, na tsia? 33 Dia fantany, ka hoy izy: Akanjon'ny zanako io: efa lanin'ny biby masiaka izy; voaviravira tokoa Josefa. 34 Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin'ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro. 35 Dia avy ny zanani-lahy rehetra sy ny zanani-vavy rehetra mba hampionona azy, fa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy; Tsia, fa hidina misaona ho any amin'ny zanako any amin'ny fiainan-tsi-hita aho. Ary dia mbola nitomany azy ny rainy. 36 Ary ny Midianita nivarotra an'i Josefa tany Egypta tamin'i Potifara, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina.