1 ARY Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany. 2 Ary Jehovah nomba an'i Josefa, dia lehilahy nambinina izy; ary nitoetra tao an-tranon'ilay Egyptiana tompony izy. 3 Ary hitan'ny tompony fa nomban'i Jehovah izy, ka izay rehetra natao­ny dia nambinin'i Jehovah avokoa teo aminy. 4 Ary Josefa nahita fitia teo imason'ny to­mpony, ka dia nanompo azy; dia notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony, ary izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny. 5 Ary hatramin'izay nanendreny azy ho mpikarakara ny tao an-tranony mbamin'izay rehetra nananany dia notahin'i Jehovah ny tranon'ilay Egyptiana noho ny amin'i Josefa; ary ny fitahian'i Jehovah nomba izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha. 6 Dia navelany ho andraikitr'i Josefa izay rehetra nananany; ary izy tsy nihevitra intsony izay rehetra nananany na inona na inona afa-tsy ny hanin-kohaniny ihany. Ary Josefa dia bikąna sady tsara tarehy. 7 Ary taorian'izany ny vadin'ny tompony nanopy ny masony hijery an'i Josefa ka na­nao hoe: Avia handry amiko. 8 Dia nandą izy ka nanao tamin'ny vadin'ny tompony hoe: Indro, ny tompoko tsy mahalala izay tandremako ato an-trano, fa izay rehetra ananany dia efa natolony ho andraikitro avokoa. 9 Tsy misy lehibe noho izaho raha amin'ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy hianao ihany, satria vadiny hianao; koa hataoko ahoana no hanao izany, ratsy lehibe izany ka hanota amin'Andriamanitra? 10 Ary na dia niteny tamin'i Josefa isan-andro aza ravehivavy, dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy na hiara-mitoetra aminy. 11 Ary tamin'ny indray andro dia niditra tao an-trano Josefa hanao ny raharahany; ary sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin'izay. 12 Dia nisambotra azy tamin'ny akanjony ravehivavy ka nanao hoe: Avia handry amiko; fa navelan'i Josefa teo an-tąnany ny akanjony, dia nandositra izy ka nivoaka teny ala-trano. 13 Ary rehefa hitan-­dravehivavy fa navelany teo an-tąnany ny akanjony, sady lasa nandositra any ala-trano izy, 14 dia niantso ny mpanompo izy ka nilaza taminy hoe: Indro, efa nampiditra lehilahy Hebreo tato amintsika hisangy antsika izy; nanatona ahy mba handry amiko iny, dia niantso tamin'ny feo mahery aho; 15 ary nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany teto anilako ny akanjony, ary nandositra iny ka lasa any ala-trano. 16 Dia napetra-dravehivavy teo anilany ny akanjon'i Josefa, mandra-pahatongan'ny tompony tao an-trano. 17 Dia nilaza taminy izy araka ireo teny ireo ka nanao hoe: Nanatona ahy ilay andevolahy Hebreo, izay nentinao ho eto amintsika, mba hisangy ahy; 18 ary rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantso, dia navelany eto anilako ny akanjony, ka lasa nandositra any ala-trano izy. 19 Ary rehefa ren'ny tompony ny tenin'ny vadiny, izay niteny taminy ka nanao hoe: Araka ireo teny ireo no nataon'ilay andevolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany. 20 Ary ny tompon'i Josefa dia naka azy ka nanao azy tao an-trano-maizina, izay fitoe­ran'ny mpifatotra diso tamin'ny mpanjaka; dia nitoetra tao an-trano maizina izy. 21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina. 22 Dia natolotry ny mpitandrina ny trano­maizina ho andraikitr'i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-trano-maizina; ary izay rehetra nataony tao dia izy no antony. 23 Ny mpitandrina ny trano-maizina tsy mba nikarakara na inona na inona izay efa mby an-tąnany, satria Jehovah nomba an'i Josefa, ary izay nataony dia nambinin'i Jehovah.