1 ARY fantatr'i Jakoba fa nisy vary tany Egypta, dia hoy izy tamin'ny zanani-lahy: Nahoana no mifampijery foana hianareo ? 2 Dia hoy koa izy: Indro, efa reko fa misy vary any Egypta; andeha midina any hianareo, ka mividia ho antsika, mba ho velona isika, fa tsy ho faty. 3 Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin'i Josefa mba hividy vary tany Egypta. 4 Fa Benjamina, rahalahin'i Josefa, tsy mba nampandehanin'i Jakoba niaraka tamin'ny rahalahiny; fa hoy izy: Andrao hisy loza hanjo azy. 5 Dia tonga ny zanak'Isiraely mba hividy vary niaraka tamin'izay nankany; fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana. 6 Ary Josefa no mpanapaka ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin'ny tompon-tany rehetra; ary to要ga ny rahalahin'i Josefa ka niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany. 7 Ary hitan'i Josefa ny rahalahiny, dia fantany ihany izy, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy taminy nanao hoe: Avy aiza hianareo? Ary hoy kosa izy: Avy any amin'ny tany Kanana izahay mba hividy hanina. 8 Ary fantatr'i Josefa ny rahalahiny, nefa izy ireo kosa tsy mba nahafantatra azy. 9 Ary Josefa nahatsiaro ireo nofy nanofisany azy ka nanao taminy hoe: Mpisafo hianareo; hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. 10 Fa hoy izy ireo taminy: Tsia, tompokolahy; fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao. 11 Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory ny mpanomponao. 12 Ary hoy izy taminy: Tsia, fa hizaha ny fangadihadin'ny tany no nahatongavanareo. 13 Fa hoy izy; Roa ambin'ny folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin'ny tany Kanana; ary, indro, ny faralahy dia any amin'ny rainay ankehitriny, fa ny anankiray tsy ao intsony. 14 Ary hoy Josefa taminy: Ilay voalazako taminareo ihany hoe: Mpisafo hianareo no marina; 15 dia izao 跫y no hamantarana anareo: Raha velona koa Farao, tsy hiala aty hianareo, raha tsy tonga aty izany zandrinareo faralahy izany. 16 Iraho ny anankiray amina訃eo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hianareo hafatotra, mba hofantarina ny teni要areo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa hianareo. 17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra. 18 Ary nony tamin'ny andro fahatelo dia hoy Josefa taminy: Izao no ataovy, dia ho velona hianareo; fa izaho matahotra an'Andriamanitra: 19 Raha olo-marina ary hia要areo, dia aoka ny anankiray aminareo mira虐alahy avy no hafatotra ao amin'ny trano-maizina nitoeranareo; ary mandehana hianareo hitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo; 20 ary ny zandrinareo faralahy dia ento mankaty amiko; dia ho hita fa marina ny teninareo, ary tsy hovonoina hianareo. Ary nataony izany. 21 Dia niresaka hoe izy: Efa meloka tokoa isika noho ny amin'ny rahalahintsika, satria nahita ny fahorian'ny fanahiny isika, raha nitaraina tamintsika izy, nefa tsy mba nihaino isika; koa izany no nahatongavan'izao fahoriana izao amintsika. 22 Dia namaly azy Robena ka nanao hoe: Moa tsy niteny taminareo va aho ka nanao hoe: Aza manota amin'ny zaza? nefa tsy mba nihaino hianareo; koa indro fa adinina ny rany izao. 23 Ary izy ireo tsy mba nahalala fa Josefa nahafantatra ny teniny, satria nisy mpandika teny niresahany taminy. 24 Ary Josefa dia nihodina niala teo aminy ka nitomany; ary niverina nankeo aminy indray izy ka niteny taminy, ary dia naka an'i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony. 25 Ary Josefa nanome teny hameno vary ny lasakany sady hamerina ny volan'ny isan-dahy ho ao anatin'ny lasakany avy ary hanome vatsy azy ho entiny eny an-d跐ana; dia nanao izany taminy izy. 26 Ary natainginy tamin'ny borikiny ny vary, dia lasa nandeha izy. 27 Ary raha noso虺afan'ny anankiray ny lasakany hampihina要any ny borikiny teo amin'izay handriany, dia hitany ny volany; fa, indro, teo am-bavan'ny lasakany izany. 28 Dia hoy izy tamin'ireo rahalahiny: Naverina ny volako, ka, indro, eo anatin'ny lasakako izany; dia ketraka ny fony, ary nifampijery amin-tahotra izy ka niresaka hoe: Inona izao ataon'Andriamanitra amintsika izao ? 29 Ary tonga tany amin'i Jakoba rainy, tany amin'ny tany Kanana izy, dia nambarany taminy izay rehetra efa nanjo azy, ka hoy izy: 30 Mafy ny teny nataon-dralehilahy, tompon'ny tany, taminay, fa nataony ho mpisafo ny tany izahay. 31 Ary hoy izahay taminy: Olo-marina izahay, fa tsy mba mpisafo tsy akory; 32 roa ambin'ny folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny anankiray, ary ny faralahy dia any amin'ny rainay any amin'ny tany Kanana ankehitriny. 33 Dia hoy ralehilahy, tompon'ny tany, taminay: Izao ary no hahafantarako fa olo-marina hia要areo: ny anankiray aminareo mirahalahy avy dia avelao aty amiko, ka mitondra vary noho ny mosary any amin'ny tranonareo, dia man苓ehana; 34 ary ento mankaty amiko ny za要drinareo faralahy, dia ho fantatro fa tsy mba mpisafo hianareo, fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo, ka dia hanao varotra eto amin'ny tany hianareo. 35 Ary raha nandraraka izay tao anatin'ny lasakany izy ireo, dia, indro, ny volany am-ponosana samy teo anatin'ny lasakany avy; ary rehefa nahita ny volany am-ponosana izy sy ny rainy, dia samy raiki-tahotra. 36 Ary hoy Jakoba rainy taminy: Foanana訃eo anaka aho: Josefa tsy eto intsony, Simeo要a koa tsy eto intsony, ary Benjamina indray halainareo; izaho ihany no ozoin'izany rehetra izany, 37 Ary Robena niteny tamin'ny rainy ka nanao hoe: Vonoy ny zanako roa lahy, raha tsy entiko miverina aty aminao izy; atolory eto an-tanako izy, dia izaho no hitondra azy mody ho aty aminao indray. 38 Ary hoy Jakoba: Tsy hidina hiaraka aminareo ny zanako; fa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa, ary raha hisy loza hanjo azy any amin'ny l跐ana izay halehana訃eo, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo ny volo fotsiko.