1 ARY mafy ny mosary teo amin'ny tany. 2 Ary rehefa ląniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. 3 Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 4 Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahala­hinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao; 5 fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako hianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. 6 Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampi­di-doza tamiko hianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa hianareo? 7 Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpiana­kavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va hianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo? 8 Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy hianao ary ny zanatsika madinika koa. 9 Izaho no hiantoka azy; amin'ny tąnako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko aty aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho; 10 fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay. 11 Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala; 12 ary mi­tondra vola toraka ny teo eny an-tąnanareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany. 13 Ary ny rahalahi­nareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy; 14 ary Andri­amanitra Tsitoha anie hampahita famindra­mpo anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany. 15 Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tąnany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa. 16 Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikara­kara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. 17 Dia nataon-dralehilahy araka izay nandi­dian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo. 18 Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika. 19 Dia nanatona an-dralehilahy, mpikara­kara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe: 20 Mba henoy kely izahay, tompokolahy: ni­dina hividy hanina tokoa izahay fahiny: 21 ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tąnanay izany. 22 Ary nitondra vola hafa koa eto an-tąnanay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasaka­nay. 23 Ary hoy izy: Matokia hianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andria­manitry ny rainareo, no nanome anareo ha­rena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga taty amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy. 24 Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tra­non'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny no­meny hanina koa. 25 Dia nandamina ny zava­tra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina. 26 Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy. 27 Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? 28 Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpano­mponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. 29 Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka 30 Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. 31 Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro. 32 Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany. 33 Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy. 34 Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy.