1 Ary ny tabemakely dia hataonao ambainy folo amin'ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. 2 Ny halavan'ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra. 3 Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray. 4 Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin'ny ambainy iray, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin'ny ambainy farany, dia eo an-tsisin'ny anankiray efa voavitrana koa. 5 Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin'ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin'ny sisin'ny ambainy izay amin'ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana. 6 Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin'ny farango ny ambai­ny, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely. 7 Ary manaova ambainy koa amin'ny volon'osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin'ny folo ambainy no hanaovanao azy. 8 Ny halavan'ny ambainy iray dia telo­polo hakiho, ary ny lambanan'ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin'ny folo. 9 Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin'ny sakan'ny lay anatrehana. 10 Ary manaova tadivavarana dimam­polo eo an-tsisin'ny ambainy iray izay farany amin'ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin'ny ambainy iray amin'ny anankiray koa efa voavitrana. 11 Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin'ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy. 12 Ary izay mihoatra amin'ny ambain'ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon'ny tabernakely. 13 Ary ny iray hakiho avy eo amin'ny lohany roa amin'ny lamba, izay mihoatra amin'ny halavan'ny ambain'ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin'ny lafibeny roa amin'ny tabernakely handrakotra azy. 14 Ary manaova koa rakotry ny lay amin'ny hoditr'ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny. 15 Ary manaova zanakazo akasia ho amin'ny tabernakely. 16 Folo hakiho ny hahavon'ny zanakazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben'ny zanakazo iray. 17 Lahiny roa no ho amin'ny zanakazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zanakazo rehetra amin'ny tabernakely. 18 Ary manaova ny zanakazo ho amin'ny taber­nakely, dia zanakazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny atsimo. 19 Ary manaova faladia vola­fotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray hiorenan'ny lahiny roa. 20 Ary manaova zanakazo roa-polo ho eo amin'ny lafiny faharoa amin'ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra. 21 Ary manaova fala­diany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ­ho ambanin'ny isan-janakazo iray. 22 Ary ny lafiny andrefana amin'ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zanakazo enina. 23 Ary zanakazo roa no hataonao ho eo amin'ny zoron'ny tabernakely amin'ny lafiny ivoho. 24 Ary hakambana ho iray izy hatramin'ny ambany ka hatramin'ny ambo­ny, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin'ny zorony roa no hisy izany. 25 Ary aoka hisy zanakazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin'ny folo: faladia roa avy ho ambanin'ny isan-janakazo iray. 26 Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin'ny zanakazo amin'ny lafiny iray amin'ny tabernakely, 27 sy barany dimy ho amin'ny zanakazo amin'ny lafiny iray koa amin'ny tabernakely, ary barany dimy ho amin'ny zanakazo amin'ny lafiny andrefana izay ao ivohony. 28 Ary ny barany afo­voany, izay afovoan'ny zanakazo, dia haha­tratra ny farany roa. 29 Ary ny zanakazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran'ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany. 30 Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra. 31 Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy ma­dinika voahasina; kerobima, asan'ny mpanenona mahay, no hataonao sorany. 32 Ary ahantony amin'ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin'ny faladia volafotsy efatra no hiorenany. 33 Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin'ny farango; ary ampidiro ao anatin'ny efitra lamba ny fiaran'ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masina sy ny fitoerana masina indrindra ho anareo. 34 Ary ny rakotra fanaovam-panavo­tana dia ataovy eo ambonin'ny fiaran'ny Vavolombelona eo amin'ny fitoerana masina indrindra. 35 Ary apetraho eo ivelan'ny efitra ny lata­batra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin'ny latabatra amin'ny lafiny atsimo amin'ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin'ny lafiny avaratra. 36 Ary manaova varavarana lamba ho eo amin'ny lay, dia amin'ny manga sy volompa­rasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan'ny mahay tenona samy hafa soratra. 37 Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin'ny varavarana lamba, ka peta­ho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.