1 ARY Jehovah niteny tamm'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mandidia an'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no lalàna ny amin'ny fanatitra dorana: Ny fanatitra dorana dia ho eo amin'ny fatana eo an-tampon'ny alitara mandritra ny alina mandra-pahamaraina, ary ny afon'ny alitara hirehitra eo. 3 Any hiakanjoan'ny mpisorona ny akanjony rongony fotsy, ary ny kalisaoniny rongony fotsy dia hataony manolo-koditra, dia handraoka ny lavenona avy amin'ny fanatitra dorana izay nolevonin'ny afo teo ambonin'ny alitara izy ka hametraka azy eo anilan'ny alitara. 4 Ary hanala ny fitafiany izy ka hitafy fitafiana hafa, dia hamoaka ny lavenona ho eny ivelan'ny toby amin'izay fitoerana madio. 5 Ary ny afo eo ambonin'ny alitara hirehitra eo ka tsy havela ho faty, fa hotohofan'ny mpisorona kitay hazo isa-maraina; ary ny fanatitra dorana halahany eo amboniny ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny saboran'ny fanati-pihavanana. 6 Dia hisy afo mirehitra mandrakariva eo ambonin'ny alitara ka tsy havela ho faty. 7 Ary izao no lalàna ny amin'ny fanatitra hohanina: Ireo zanak'i Arona no hanatitra azy eo anatrehan'i Jehovah eo anoloan'ny alitara. 8 Ary hangalany eran-tànan-ila ny koba tsara toto amin'ny fanatitra hohanina sy ny diloilony mbamin'ny ditin-kazo manipofona rehetra izay eo ambonin'ny fanatitra hohanina, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara izany fanati-pahatsiarovana izany ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. 9 Ary izay sisa amin'ireny dia hohanin'i Arona sy ireo zanany, koa hataony mofo tsy misy masirasira, ary eo amin'izay fitoerana masina anankiray no hihinanany azy, dia eo anatin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana. 10 Tsy hasiana masirasira izany raha hendasina; fa efa nomeko ho anjarany avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho Ahy izany; masina dia masina izany tahaka ny fanatitra noho ny ota sy tahaka ny fanati-panonerana. 11 Ny lehilahy rehetra amin'ny zanak'i Arona no mahazo mihinana izany. Ho anjara mandrakizay ho an'ny taranakareo hatramin'ny fara mandimby avy amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah izany; ho masina izay rehetra manendry izany. 12 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 13 Izao no fanatitr'i Arona sy ireo zanany, izay hateriny ho an'i Jehovah amin'izay andro anosorana azy: Koba tsara toto ampahafolon'ny efaha no hatao fanatitra hohanina isan-andro, ny antsasany maraina, ary ny antsasany hariva. 14 Amin'ny lapoely no hanaovana azy ka hasiana diloilo; ary rehefa voaendy izy, dia ento; voaendy sady voavakivaky toy ny fanatitra hohanina no hanateranao azy ho hanitra ankasitrahana ho an'i Jehovah. 15 Ary ilay mpisorona avy amin'ny zanany, izay voahosotra handimby azy, no hanao izany; anjara mandrakizay ho an'i Jehovah izany ka hodorana ho fofona avokoa; 16 fa ny fanatitra hohanina rehetra izay aterin'ny mpisorona dia hodorana avokoa, fa tsy hohanina. 17 Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 18 Mitenena amin'i Arona sy ireo zanany hoe: Izao no Lalàna ny amin'ny fanatitra noho ny ota: Eo amin'ny famonoana ny fanatitra dorana no hamonoana ny fanatitra noho ny ota eo anatrehan'i Jehovah; ho masina dia masina izany. 19 ilay mpisorona manatitra azy noho ny ota no hihinana azy; eo amin'izay fitoerana masina no hihinanany azy, dia eo amin'ny kianjan'ny trano-lay fihaonana. 20 Ho masina izay rehetra manendry ny henany; ary raha misy fitafiana ipitihan'ny rany, dia hosasanao eo amin'izay fitoerana masina izay ipitihany. 21 Ary nv vilany tany izay nandrahoana azy dia hovakivakina; fa raha vilany varahina kosa no nandrahoana azy, dia hofotsiana sy hosasandrano izany. 22 Ny lehilahy rehetra amin'ny mpisorona no mahazo mihinana azy; masina dia masina izany. 23 Fa ny fanatitra noho ny ota izay angalan-dra ho entina ao amin'ny trano-lay fihaonana, hanaovana fanavotana ao amin'ny fitoerana masina, dia tsy hohanina; hodorana amin'ny afo izany.