1 ARY Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe: 2 Mitenena amin'ny Zanak'Isiraely hoe: Raha misy vehivavy manan-anaka ka tera-dahy, dia haloto hafitoana izy; tahaka ny andro fahalotoany raha mararin'ny fadimbolany no hahalotoany. 3 Ary amin'ny andro fahavalo dia hoforana ny zaza. 4 Ary telo amby telo-polo andro no hitoeran-dravehivavy amin'ny rany izay mahadio azy; tsy hanendry zava-masina izy, na hiditra ao amin'ny fitoerana masina, mandra-pahatapitry ny andro fidiovany. 5 Fa raha tera-bavy kosa izy, dia haloto tapa-bolana, tahaka ny tamin'ny fahalotoany ihany koa; ary enina amby enim-polo andro no hitoerany hidiovany amin'ny rany izay mahadio azy. 6 Ary raha tapitra ny andro fidiovany ny amin'ny zanany, na lahy na vavy, dia zanak'ondry izay iray taona no halainy ho fanatitra dorana sy zana-boromailala, na domohina, ho fanatitra noho ny ota, ka ho entiny eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ho eo amin'ny mpisorona ireo. 7 Ary izy hanatitra izany eo anatrehan'i Jehovah ka hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio tamin'ny fandehanan'ny rany izy. Izany no lalàna ny amin'ny vehivavy teradahy na tera-bavy. 8 Ary raha tsy tratry ny ananany ny zanak'ondry, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa izy, ny anankiray hatao fanatitra dorana, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an-dravehivavy, dia hadio izy.