1 Ary raha ren'ilay Kananita, mpanjakan'i Arada, izay nonina teo amin'ny tany atsimo, fa efa mandeha amin'ny lālana mankany Atarima[Na: amin'ny lālan'ny mpisafo-tany.] ny Isiraely, dia niady taminy izy, ka nentiny ho babo ny sasany tamin'ny Isiraely. 2 Dia nivoady tamin'i Jehovah ny Isiraely ka nanao hoe: Raha hatolotrao eo an-tānanay tokoa ity firenena ity, dia hataonay levona[Heb. herema.] avokoa ny tanānany. 3 Ary Jehovah nihaino ny feon'ny Isiraely ka dia natolony azy ny Kananita: ary dia nataon'ny Isiraely levona[Heb. herema.] izy sy ny tanānany; koa ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Horma.[Horma = Herema.] 4 Ary niala tany an-tendrombohitra Hora izy ka nahazo ny lālana mankany amin'ny Ranomasina Mena hanodidina ny tany Edoma; dia kivy ny fanahin'ny olona noho ny lālana. 5 Ary niteny nanome tsiny an'Andriamanitra sy Mosesy ny olona ka nanao hoe: Nahoana no nentinao niakatra avy tany Egypta izahay ho faty aty an-efitra? fa tsy misy mofo na rano aty; ary mahamonamonaina ny fanahinay itony mofomofo foana itony. 6 Ary Jehovah dia nampandeha ny menaran'afo teny amin'ny olona, ka nanaikitra ny olona ireny; dia nahafatesana be ny olona Isiraely. 7 Dia nankeo amin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an'i Jehovah sy hianao. Ifony amin'i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an'ny olona Mosesy. 8 Ary hoy Jehovah taminy: Manaova menaran'afo, ka ahantōny amin'ny hazo lava, ary izay rehetra voakaikitra dia ho velona, raha mijery izany. 9 Dia nanao menarana varahina Mosesy ka nanantona azy tamin'ny hazo lava; ary izay olona voakaikitry ny menarana ka nijery ilay menarana varahina dia velona. 10 Ary ny Zanak'Isiraely nifindra ka nitoby tao Obota. 11 Ary nony niala tao Obota, izy, dia nitoby tao Ie-abarima, tany amin'ny efitra izay mifanolotra amin'i Moaba, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro. 12 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao amin'ny lohasahan-driaka Zareda. 13 Ary nony niala tao izy, dia nitoby tao an-dafin'i Arnona, izay any an-efitra sady avy amin'ny fari-tanin'ny Amorita; fa Arnona no fari-tanin'ny Moabita, eo anelanelan'ny Moabita sy ny Amorita. 14 Koa izany no ilazana eo amin'ny Bokin'ny Adin'i Jehovah hoe: Vaheba any Sofa Sy ny lohasahan-driaka Arnona, 15 Ary ny tany kisolosolo amin'ny lohasahan-driaka, Izay mandroso mankeo amin'ny tanin'i Ara Ka mipaka amin'ny fari-tanin'i Moaba. 16 Ary niala tao izy hankany Bera,[Bera = Lavaka fantsakana] dia ilay lavaka fantsakana nilazan'i Jehovah tamin'i Mosesy hoe: Angony ny olona, fa homeko rano izy. 17 Dia nihira izao fihirana izao ny Isiraely: Miboiboiha, ry lavaka fantsakana! Ataovinareo an-kira izy; 18 Lavaka fantsakana izay nohadin'ireo mpanao lalāna, Ary nolavahan'ireo manan-kaja amin'ny firenena Tamin'ny tehiny, dia ny tehina fanapahana. Ary nony niala tany an-efitra izy, dia nankao Matana. 19 Ary nony niala tao Matana izy, dia nankao Nahaliela; ary nony niala tao Nahaliela izy, dia nankao Bamota; 20 ary nony niala tao Bamota izy, dia nankany an-dohasaha izay ao amin'ny tany Moaba, ao an-tampon'i Pisga, izay manatrika ny efitra. 21 Ary ny Isiraely naniraka olona ho any amin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, hanao hoe: 22 Aoka mba handeha hamaky ny taninao izahay, fa tsy hania ho amin'ny saha na ho amin'ny tanimboaloboka izahay, ary tsy hisotro ny rano amin'ny lavaka fantsakana; ny lālan'andriana ihany no halehanay mandra-pahafakay ny fari-taninao. 23 Nefa Sihona tsy namela ny Isiraely handeha hamaky ny taniny, fa nanangona ny vahoakany rehetra izy ka nivoaka avy tany an-efitra hihaona amin'ny Isiraely, dia nankany Jahaza; ary niady tamin'ny Isiraely teo izy. 24 Ary ny Isiraely namely azy tamin'ny lelan-tsabatra ka nahazo ny taniny hatrany Arnona ka hatrany Jaboka, dia hatramin'ny taranak'i Amona; fa mafy ny fari-tanin'ny taranak'i Amona. 25 Dia nalain'ny Isiraely izany tanāna rehetra izany; ary nonenany ny tanānan'ny Amorita rehetra, dia Hesbona sy ny zana-bohiny rehetra. 26 Hesbona no tanānan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay efa nanafika ny mpanjakan'i Moaba taloha, ka efa nalainy taminy avokoa ny taniny rehetra hatrany Arnona. 27 Izany no nanaovan'ny mpanao oha-teny hoe: Midira ao Hesbona hianareo; Aoka hamboarina sy hatao mafy ny tanānan'i Sihona; 28 Fa nisy afo nivoaka avy tao Hesbona, Sy lelafo avy tao an-tanānan'i Sihona, Ka nandevona an'i Aran'i Moaba Sy ny tompon'ny havoan'i Arnona. 29 Lozanao ry Moaba! Ringana hianao, ry olon'i Kemosy! Foiny handositra ny zanani-lahy, Ary navelany ho babo ny zanani-vavy, Ho an'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita. 30 Notifirintsika izy; ringana Hesbona hatrany Dibona; Nofoanantsika izy hatrany Nofa, izay mipaka an'i Medeba. 31 Dia nitoetra tao amin'ny tanin'ny Amorita ny Isiraely. 32 Ary Mosesy naniraka olona hisafo an'i Jazera; ary ny Isiraely dia nahafaka ny zana-bohiny ka nandroaka ny Amorita izay tany. 33 Ary niverina ny olona ka niakatra tamin'ny lālana mankany Basana; dia nivoaka Oga, mpanjakan'i Basana, hihaona aminy, dia izy sy ny vahoakany rehetra, hiady tao Edrehy. 34 Dia hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Aza matahotra azy hianao, fa efa natolotro eo an-tānanao izy sy ny vahoakany rehetra ary ny taniny; ary hianao hanao aminy araka izay nataonao tamin'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nitoetra tao Hesbona. 35 Dia namely azy sy ny zanani-lahy ary ny vahoakany rehetra izy, ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; dia nahazo ny taniny izy.