1 Ary nanana omby aman-ondry be indrindra ny taranak'i Robena sy ny taranak'i Gada; ary rehefa nahita ny Jezera sy ny tany Gileada izy, fa tany tsara ho fiandrasana omby aman-ondry io, 2 dia avy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka niteny tamin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona sy tamin'ny lohan'ny fiangonana ka nanao hoe: 3 Atarota sy Dibona sy Jazera sy Nimna sy Hesbona sy Elale sy Sebama sy Nebo ary Beoma, 4 ireo tany noresen'i Jehovah teo anoloan'ny fiangonan'ny Isiraely, dia tany tsara ho fiandrasana omby aman-ondry, ary ny mpanomponao manana omby aman-ondry; 5 dia hoy koa izy: Raha mahita fitia eo imasonao izahay; aoka homena anay mpanomponao ho zara-taninay io; fa aza ampitaina an'i Jordana izahay. 6 Dia hoy Mosesy tamin'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena: Ny rahalahinareo handeha hanafika, ka hianareo kosa hijanona eto va? 7 Nahoana hianareo no mampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay nomen'i Jehovah azy? 8 Izany no nataon'ny rainareo, fony nirahiko avy tao Kadesi-barnea hisafo ny tany izy; 9 fa raha niakatra hatrany an-dohasaha Eskola izy ka nahita ny tany, dia nampiketraka ny fon'ny Zanak'Isiraely izy, mba tsy handehanany ho any amin'ny tany izay efa nomen'i Jehovah azy. 10 Ary nirehitra ny fahatezeran'i Jehovah tamin'izany andro izany, dia nianiana Izy ka nanao hoe: 11 Ny olona izay niakatra avy tany Egypta, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra, dia tsy hisy hahita ny tany izay efa nianianako tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba homena azy, satria tsy tanteraka tamin'ny fanarahana Ahy izy; 12 afa-tsy Kaleba, zanak'i Jefone Kenizita, sy Josoa, zanak'i Nona, izay tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah. 13 Dia nirehitra tamin'ny Isiraely ny fahatezeran'i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason'i Jehovah. 14 Ary, indreto, hianareo mitsangana hisolo ny rainareo, ho taranaka mbola mpanota, hampitombo ny firehetan'ny fahatezeran'i Jehovah amin'ny Isiraely. 15 Fa raha miala amin'ny fanarahana Azy hianareo dia hamela azy any an-efitra indray Izy; ka dia hianareo no handringana izao olona rehetra izao. 16 Ary dia nanatona azy ireo ka nanao hoe: Hanao vala eto izahay ho an'ny omby aman-ondrinay sy tanāna koa ho an'ny zanakay madinika; 17 fa ny tenanay dia hiomana faingana handroso eo alohan'ny Zanak'Isiraely mandra-pitondranay azy ho any amin'ny taniny; ary ny zanakay madinika dia hitoetra amin'ny tanāna mimanda noho ny mponina amin'ny tany. 18 Tsy hody any an-tranonay izahay, mandra-pahazon'ny Zanak'Isiraely ny zara-taniny avy. 19 Fa tsy hiara-mandray zara-tany aminy izahay hatrany an-dafin'i Jordana no ho miankandrefana, satria efa azonay aty an-dafy atsinanan'i Jordana aty ny zara-taninay. 20 Dia hoy Mosesy taminy: Raha hanao izany zavatra izany hianareo ka hiomana eo anatrehan'i Jehovah ho any an-tafika, 21 ary rehefa samy efa voaomana hiady, dia hita ho any an-dafin'i Jordana eo anatrehan'i Jehovah, mandra-pandroakany ny fahavalony hiala eo anoloany, 22 ka ho resy eo anatrehan'i Jehovah ny tany; ary rehefa vita izany, dia hody hianareo ka tsy hanan-tsiny, na amin'i Jehovah, na amin'ny Isiraely; ary ity tany ity ho zara-taninareo eo anatrehan'i Jehovah. 23 Fa raha tsy hanao izany kosa hianareo, dia manota amin'i Jehovah; ary aoka ho fantatrareo fa hanody anareo ny fahotanareo. 24 Manaova tanāna ho an'ny zanakareo madinika sy vala ho an'ny ondry aman-osinareo, ka ataovy izay naloaky ny vavanareo. 25 Dia niteny tamin'i Mosesy ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Ny mpanomponao dia hanao araka izay andidianao, tompoko: 26 ny zanakay madinika sy ny vadinay sy ny ondry aman-osinay ary ny biby fiompinay rehetra dia hitoetra ato amin'ny tanānan'i Gileada; 27 fa ny mpanomponao handeha hita, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ho any an-tafika, araka izay nolazainao, tompoko. 28 Ary Mosesy dia nandidy an'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny firenen'ny Zanak'Isiraely ny amin'ireo 29 ka nanao taminy hoe: Raha handeha hita an'i Jordana hiaraka aminareo ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena, samy efa voaomana hiady eo anatrehan'i Jehovah, ka ho resy ny tany eo anoloanareo, dia homenareo azy ny tany Gileada ho zara-taniny; 30 fa raha tsy mandeha samy efa voaomana hiady miaraka aminareo izy, dia eo aminareo amin'ny tany Kanana ihany no hahazoany zara-tany. 31 Dia namaly ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ka nanao hoe: Araka izay nolazain'i Jehovah tamin'ny mpanomponao no hataonay: 32 izahay handeha hita eo anatrehan'i Jehovah ho any amin'ny tany Kanana samy efa voaomana hiady, kanefa ety an-dafin'i Jordana ety ihany no hahazoanay zara-tany. 33 Dia nomen'i Mosesy ho an'ny taranak'i Gada sy ny taranak'i Robena ary ny antsasaky ny firenen'i Manase, zanak'i Josefa, ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'ny Amorita, sy ny fanjakan'i Oga, mpanjakan'i Basana, dia ny tany mbamin'ny tanānany ao amin'ny fari-tany, dia ny tanāna eny amin'ny tany manodidina. 34 Ary ny taranak'i Gada nanao an'i Dibona sy Atarota sy Aroera 35 sy Atrota-sofana sy Jazera ary Jogbeha 36 sy Beti-nimra sy Beti-harana, tanāna mimanda, ary vala ho an'ny ondry. 37 Ary ny taranak'i Robena nanao an'i Hesbona sy Elale sy Kiriataima 38 sy Nebo sy Bala-meona (nefa novana ny anaran'ireo) ary Sibna; ary nasiany anarana vaovao ny tanāna izay nataony. 39 Ary ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, nankany Gileada ka nahafaka azy, dia nandroaka ny Amorita izay nonina teo. 40 Ary Gileada dia nomen'i Mosesy an'i Makira, zanak'i Manase, ka nonina tao izy. 41 Ary Jaīra, zanak'i Manase, nandeha ka nahafaka ny tanāna madinika teo, ary ny anarany nataony hoe Havota-jaīra.[Na: Havota-jaīra = Tanāna madinika an'i Jaīra.] 42 Ary Noba nandeha ka nahafaka an'i Kenata sy ny zana-bohiny, dia nataony hoe Noba, araka ny anarany izy.