1 Rehefa entin'i Jehovah Andriamanitrao hianao ka tafiditra any amin'ny tany izay efa hidiranao holovana, ary firenena maro no voaroakany hiala eo anoloanao, dia ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita, dia firenena fito izay lehibe sy mahery noho hianao. 2 ary rehefa voatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao ireny ka resinao: dia aringano[Heb. ataovy herema.] mihitsy izy; aza manao fanekena aminy, na mamindra fo aminy; 3 ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin'ny zanani-lahy, ary ny zanani-vavy tsy halainao ho vadin'ny zanakao-lahy. 4 Fa hampiala ny zanakao-lahy amin'ny fanarahana Ahy izy mba hanompoany andriamani-kafa, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ka handringana anao vetivety Izy. 5 Fa izao kosa no ataovinareo aminy: ny alitarany horavanao, ary ny tsangam-baton-tsampiny hovakivakinao; ny Aserahany[ Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny. ] hokapainao, ary ny sarin-avatra voasokitra hodoranao amin'ny afo. 6 Fa firenena masina ho an'i Jehovah Andriamanitrao hianao; fa hianao efa nofidin'i Jehovah Andriamanitrao ho firenena rakitra soa ho Azy mihoatra noho ny firenena rehetra ambonin'ny tany. 7 Tsy ny hamaroanareo noho ny firenena rehetra anefa no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah taminareo sy nifidianany anareo, fa hianareo dia vitsy noho ny firenena rehetra aza; 8 fa ny nitiavan'i Jehovah anareo sy ny nitandremany ny fianianana izay efa nianianany tamin'ny razanareo no nitondran'i Jehovah anareo tamin'ny tànana mahery sy nanavotany anao tamin'ny trano nahandevozana dia tamin'ny tànan'i Farao, mpanjakan'i Egypta. 9 Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindrampo amin'izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin'ny taranaka arivo mandimby, 10 ary mamaly miharihary izay mandrafy Azy amin'ny fandringanana azy; tsy hitaredretra Izy ny amin'izay mandrafy Azy, fa hamaly azy miharihary. 11 Koa tandremo ny lalàna sy ny didy ary ny fitsipika, izay andidiako anao anio, ka araho izy. 12 Ary raha mihaino ireo fitsipika ireo hianareo ka mitandrina sy manaraka azy, dia hotanterahin'i Jehovah Andriamanitrao aminao ny fanekena sy ny famindrampo, izay nianianany tamin'ny razanao; 13 dia ho tia anao sy hitahy anao ary hahamaro anao Izy; ary Izy hitahy ny ateraky ny kibonao sy ny vokatry ny taninao, dia ny varinao sy ny ranom-boalobokao sy ny diloilonao, ary ny ateraky ny ombinao sy ny ateraky ny ondry aman-osinao any amin'ny tany izay nianianany tamin'ny razanao homena anao. 14 Hotahina hianao mihoatra noho ny firenena rehetra; tsy hisy lahy na vavy tsy hiteraka, na hianareo na ny biby fiompinareo. 15 Ary harovan'i Jehovah tsy ho azon'aretina hianao, ka tsy hisy hameliny anao ny aretin-dratsin'i Egypta, izay fantatrao; fa hataony amin'izay rehetra mankahala anao kosa ireny. 16 Ary aoka holaninao ny firenena rehetra, izay hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao anao, ka aoka tsy hiantra azy ny masonao; ary aza manompo ny andriamaniny, fa ho fandrika aminao ireny. 17 Raha hianao hanao anakampo hoe: Maro noho izaho ireo firenena ireo, ka hataoko ahoana no fahay mandroaka azy? 18 dia aza matahotra azy hianao; fa tsarovy tsara izay nataon'i Jehovah Andriamanitrao tamin'i Farao sy ny Egyptiana rehetra, 19 dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny tànana mahery ary ny sandry nahinjitra, izay nitondran'i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka; fa toy izany no hataon'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny firenena rehetra izay atahoranao. 20 Ary ny fanenitra koa dia hampandehanin'i Jehovah Andriamanitrao ho eo aminy mandra-paharingan'izay sisa sy izay efa niery ka tsy hitanao. 21 Aza matahotra azy hianao; fa Jehovah Andriamanitrao no eo aminao, dia Andriamanitra lehibe sy mahatahotra. 22 Ary horoahin'i Jehovah Andriamanitrao eo alohanao tsikelikely ireny firenena ireny; tsy haharoaka azy faingana hianao, fandrao hihamaro ny bibi-dia ka hamely anao. 23 Fa hatolotr'i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy ka hataony mifanaritaka be ihany mandra-pahalany ritrany. 24 Dia hatolony eo an-tànanao tsy ho re intsony aty ambanin'ny lanitra ny anarany; tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao, fa haringanao avokoa izy mandra-pahalaniny. 25 Ny sarin-javatra voasokitra, izay andriamaniny, dia hodoranareo amin'ny afo; aza mitsiriritra ny volafotsy na ny volamena izay eo aminy, na maka izany ho anao, fandrao ho voafandriny hianao, fa fahavetavetana eo imason'i Jehovah Andriamanitrao izany. 26 Ary aza mitondra fahavetavetana ho ao an-tranonao, fandrao ho voaozona[Heb. herema.] tahaka izany koa hianao; ho halanao sy ho fahavetavetana eo imasonao indrindra izany, fa zavatra voaozona.[Heb. herema.]