1 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay:-- 2 Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona, 3 ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina any amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lālana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. 4 Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaīta sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy, 5 sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita sy ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona. 6 Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase. 7 Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana ho any Seīra, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'Isiraely araka ny fizarany, 8 dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany am-bodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita: 9 Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray; 10 ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray; 11 ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray; 12 ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray; 13 ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray; 14 ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray; 15 ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray; 16 ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray; 17 ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray; 18 ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray; 19 ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray; 20 ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray; 21 ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray; 22 ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray; 23 ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray; 24 ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telopolo no isan'ny mpanjaka rehetra.