1 Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma, dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny fari-tany atsimo. 2 Ary ny fari-taniny atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira, dia hatramin'ny helo-drano atsimo, 3 dia nandroso hatrany atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia nandroso hatrany Zina, dia niakatra any atsimon'i Kadesi-barnea ka nandroso hatrany Hezrona, dia niakatra any Adara ary niolaka hatrany Karka, 4 dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo. 5 Ary ny fari-tany atsinanana dia ny Ranomasin-tsira hatramin'ny faran'i Jordana. Ary ny fari-taniny amin'ny lafiny avaratra dia hatramin'ny helo-drano eo amin'ny faran'i Jordana, 6 dia niakatra hatrany Beti-hogla ka nandroso any avaratr'i Bet-araba, dia niakatra hatramin'ny vaton'i Bohana, zanak'i Robena, 7 dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela, 8 dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaīta, 9 dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanāna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany), 10 dia niolaka hatrany Bala andrefana ka hatramin'ny tendrombohitra Seīra ka nandroso hatramin'ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima (Kesalona izany), dia nidina hatrany Beti-semesy ka nandroso hatrany Timna, 11 dia nihatra tamin'ny lafiny avaratr'i Ekrona, dia nizotra hatrany Sikerona ka nandroso hatramin'ny tendrombohitra Bala, dia nihatra tamin'i Jebniela, ary dia nihatra tany amin'ny ranomasina. 12 Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony. 13 Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanānan'i Arbā, rain'i Anāka (Hebrona izany). 14 Dia noroahin'i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia Sesay sy Ahimana ary Talmay. 15 Dia niakatra avy tao izy hankany amin'ny mponina any Debira (Kiriata-sefera no anaran'i Debira taloha). 16 Ary hoy Kaleba: Izay mamely an'i Kiriata-sefera ka mahafaka azy, dia homeko azy Aksa zanako-vavy ho vadiny. 17 Ary Otniela, zanak'i Kenaza, rahalahin'i Kaleba, no nahafaka azy; ka dia nomeny azy Aksa zanani-vavy ho vadiny. 18 Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao? 19 Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany. 20 Izao no lovan'ny firenena taranak'i Joda araka ny fokony: 21 Ny tanāna farany amin'ny firenena taranak'i Joda, eo akaikin'ny fari-tanin'i Edoma amin'ny tany atsimo, dia Kabzela sy Edera sy Jagora 22 sy Kina sy Dimona sy Adada 23 sy Kadesy sy Hazora sy Itnana 24 sy Zifa sy Talema sy Bealota 25 sy Hazora-hadata sy Keriota-hezrona (Hazora izany), 26 sy Amama sy Sema sy Molada 27 sy Hazara-gada sy Hesmona sy Beti-paleta 28 sy Hazara-soala sy Beri-sheba sy Biziotia 29 sy Bala sy Ie sy Azema 30 sy Eltolada sy Kesila sy Horma 31 sy Ziklaga sy Madmana sy Sansana 32 sy Lebaota sy Silima sy Aina sy Rimona; sivy amby roapolo ny tanāna rehetra sy ny zana-bohiny. 33 Ary teo amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka dia Estaola sy Zora sy Asna 34 sy Zanoa sy En-ganima sy Tapoa sy Enama 35 sy Jarmota sy Adolama sy Soko sy Azeka 36 sy Saraima sy Aditaima sy Gadera sy Gederotaima: tanāna efatra amin'ny folo sy ny zana-bohiny; 37 ary Zenana sy Hadasa sy Migdala-gada 38 sy Dilana sy Mizpa ary Joktela 39 sy Lakisy sy Bozkata sy Eglona 40 sy Kabona sy Lamasa sy Kitlisa 41 sy Gederota sy Beti-dagona sy Nama sy Makeda: tanāna enina ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; 42 Libna sy Atera sy Asana 43 sy Jifta sy Asna ary Neziba 44 sy Keila sy Akziba ary Maresa; tanāna sivy sy ny zana-bohiny; 45 Ekrona sy ny tanānany ary ny zana-bohiny; 46 hatrany Ekrona no ho miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an'i Asdoda, sy ny zana-bohitr'ireo, 47 Asdoda sy ny tanānany ary ny zana-bohiny, Gaza sy ny tanānany ary ny zana-bohiny, hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta sy ny amoron'ny Ranomasina Lehibe. 48 Ary tany amin'ny tany havoana dia Samira sy Jatira sy Soko 49 sy Dana sy Kiriata-sana (Debira izany) 50 sy Anaba sy Estemo sy Anima 51 sy Gosena sy Holona sy Gilo: tanāna iraika ambin'ny folo sy ny zana-bohiny; 52 Araba sy Doma sy Esana 53 sy Janoma sy Beti-tapoa sy Afeka 54 sy Homta sy Kiriat-arba (Hebrona izany) ary Ziora: tanāna sivy sy ny zana-bohiny; 55 Maona sy Karmela sy Zifa sy Jota 56 sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa 57 sy Kaina sy Gibea sy Timna: tanāna folo sy ny zana-bohiny; 58 sy Halola sy Beti-zora sy Gedora 59 sy Marata sy Bet-anota sy Eltekona: tanāna enina sy ny zana-bohiny; 60 sy Kiriata-bala (Kiriata-jearima izany) sy Raba; tanāna roa sy ny zana-bohiny. 61 Tany an-efitra dia Bet-araba sy Midina sy Sekaka 62 sy Nibsana sy ilay Tanānan-tsira ary En-jedy: tanāna enina sy ny zana-bohiny. 63 Ary ny amin'ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak'i Joda; fa miara-monina amin'ny taranak'i Joda any Jerosalema mandraka androany ireny.