1 Ary rehefa ela, taorian'ny nanomezan'i Jehovah fitsaharana ho an'ny Isiraely ho afaka amin'ny fahavalony rehetra manodidina, ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, 2 dia nantsoin'i Josoa ny Isiraely rehetra, dia ny loholony sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka hoy izy taminy: Efa zoki-olona aho izao ka mandroso fahanterana, 3 ary hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah Andriamanitrareo tamin'ireo firenena rehetra ireo teo anolonareo; fa Jehovah Andrimanitrareo no niady ho anareo. 4 Indreo, efa voazarako ho lovan'ny firenenareo tamin'ny filokana ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin'ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin'ny Ranomasina Lehibe andrefana. 5 Ary Jehovah Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo; ary handova ny taniny hianareo araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo. 6 Dia mahereza tsara hianareo hitandrina sy hanao izay rehetra voasoratra ao amin'ny bokin'ny lalān'i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, 7 mba tsy hankanesanareo any amin'ireo firenena sisa eo aminareo ireo; ny anaran'ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany; 8 fa Jehovah Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka andro-any. 9 Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka andro-any. 10 Ny lehilahy iray aminareo manenjika ny arivo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo. 11 Dia tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia an'i Jehovah Andriamanitrareo. 12 Fa raha mihemotra hianareo ka miray amin'ireo firenena sisa eo aminareo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo, 13 dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony Jehovah Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin'ny tehezanareo, sy ho tsilo eo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritranareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. 14 Ary, indro, efa handeha ho amin'ny lālana falehan'ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra fa tsy misy latsaka na dia iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nilazan'i Jehovah Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: tsy nisy latsaka na dia zavatra iray akory aza. 15 Ary tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra, izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan'i Jehovah aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin'ity tany soa nomen'i Jehovah Andriamanitrareo anareo ity. 16 Amin'izay hivadihanareo ny faneken'i Jehovah Andriamanitrareo, izay nandidiany anareo, sy handehananareo hanompo ireo andriamani-kafa ary hiankohofanareo eo anatrehany, dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Jehovah, ary ho lany ringana faingana hianareo tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo.