1 Ary tamin'ny taona fahatelo nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, no vao nanjakan'i Hezekia, zanak'i Ahaza, mpanjakan'ny Joda. 2 Dimy amby roa-polo taona izy, fony vao nanjaka, ary nanjaka sivy amby roa-polo taona tany Jerosalema izy. Ary ny anaran-dreniny dia Aby, zanakavavin'i Zakaria. 3 Ary nanao izay mahitsy eo imason'i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon'i Davida rainy. 4 Izy no nandrava ny fitoerana avo sy namakivaky ny tsangam-baton-tsampy sy nikapa ny Aserahany ary nanorotoro ny menarana varahina izay nataon'i Mosesy; fa ny Zanak'Isiraely efa nandoro ditin-kazo manitra tamin'iny hatramin'izany andro izany aza; ary ny anarany nataony hoe Nehostana.[Nehostana = Ilay varahina.] 5 Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no nitokiany, ka dia tsy nisy tahaka azy tamin'izay rehetra mpanjakan'ny Joda, na ny teo aoriany, na ny teo alohany. 6 Fa nifikitra tamin'i Jehovah izy ka tsy niala tamin'ny fanarahana Azy, fa nitandrina ny didy izay nandidian'i Jehovah an'i Mosesy. 7 Ary Jehovah nomba azy, ka dia nambinina[Na: hita ho hendry.] tamin'izay nalehany rehetra izy; ary niodina tamin'ny mpanjakan'i Asyria. izy ka tsy nanompo azy. 8 Izy no namely ny Filistina hatrany Gaza sy ny fari-taniny, ka noravany avokoa hatramin'ny tilikambon'ny mpiambina ka hatramin'ny tanāna mimānda. 9 Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Hezekia mpanjaka (dia ny taona fahafito nanjakan'i Hosea, zanak'i Elaha, mpanjakan'ny Isiraely, izany) no niakaran'i Salmanesera mpanjakan'i Asyria, hamely an'i Samaria sy nanaovany fahirano azy. 10 Ary nony tapitra ny telo taona, dia afak'ireo ny tanāna; dia tamin'ny taona fahenina nanjakan'i Hezekia, izay taona faha sivy nanjakan'i Hosea, mpanjakan'ny Isiraely, no nahafahana an'i Samaria. 11 Ary ny mpanjakan'i Asyria nitondra ny Isiraely ho babo tany Asyria ka nametraka azy tao Hala sy teo amoron'i Habora, onin'i Gozana, ary teny amin'ny tanānan'ny Mediana, 12 satria tsy nihaino ny feon'i Jehovah Andriamaniny izy, fa nivadika ny fanekeny, dia izay rehetra nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ka tsy nihaino na nankatō izany izy. 13 Ary tamin'ny taona fahefatra ambin'ny folo nanjakan'i Hezekia mpanjaka dia niakatra Sankeriba, mpanjakan'i Asyria hamely ny tanāna mimānda rehetra any Joda ka nahafaka azy. 14 Ary Hezekia, mpanjakan'ny Joda, naniraka tany amin'ny mpanjakan'i Asyria tany Lakisy nanao hoe : Efa diso aho, ialao aho, fa izay hampitondrainao ahy dia ho entiko. Ary ny mpanjakan'i Asyria nampandoa an'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, talenta volafotsy telon-jato sy talenta volamena telo-polo. 15 Ary Hezekia nanome azy ny volafotsy rehetra izay hita tao an-tranon'i Jehovah sy tao amin'ny rakitry ny tranon'ny manjaka. 16 Tamin'izany andro izany no nanendahan'i Hezekia ny volamena tamin'ny varavaran'ny tempolin'i Jehovah sy tamin'ny tolana, dia ilay efa napetak'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda; ary dia nomeny ho an'ny mpanjakan'i Asyria izany. 17 Ary ny mpanjakan'i Asyria naniraka an'i Tartana sy Raba-sarisa ary Rabsake mbamin'ny miaramila betsaka avy teo Lakisy hankany Jerosalema ho any amin'i Hezekia mpanjaka. Dia niakatra ireny ka tonga tany Jerosalema; ary nony tonga teo izy, dia nitsangana teo anilan'ny lakan-drano amin'ny kamory ambony, teo an-dālambe mankamin'ny sahan'ny mpamotsy lamba. 18 Ary nony efa niantso ny mpanjaka izy, dia nivoaka ho eo aminy Eliakima, zanak'i Hilkia, izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana. 19 Dia hoy Rabsake tamin'ireo : Andeha, lazao amin'i Hezekia hoe : Izao no lazain'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria : Inona izato itokianao ? 20 Hoy hianao (nefa teny foana izany) : Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko hianao ? 21 Fa, indro, hianao matoky io tehina volotara torotoro io, dia Egypta, nefa raha itehenan'olona iny, dia manindrona ny tānany miboroaka; tahaka izany Farao, mpanjakan'i Egypta, amin'izay rehetra matoky azy. 22 Ary raha hoy hianareo amiko : Jehovah Andriamanitray no itokianay, -- moa tsy Azy va ny fitoerana avo aman-alitara izay noravan'i Hezekia, izay nilaza tamin'ny Joda sy Jerosalema hoe : Eto anoloan'ity alitara eto Jerosalema ity no hiankohofanareo ? 23 Koa aoka hifaninana hianao sy ny tompoko, mpanjakan'i Asyria, fa homeko soavaly roa arivo hianao, raha tāhiny manana olona hitaingina azy. 24 Hataonao ahoana no fampiamboho ny komandy iray amin'ny mpanompon'ny tompoko, na dia izay kely indrindra aminy aza? Nefa matoky an'i Egypta hianao hahazoanao kalesy sy mpitaingin-tsoavaly. 25 Koa moa haitraitro va izao niakarako izao ? Tsia, fa Jehovah no naniraka ahy handrava ity tany ity ka nanao hoe : Miakara hamely ity tany ity, ka ravao izy. 26 Dia hoy Eliakima, zanak'i Hilkia, sy Sebna ary Joa tamin-dRabsake : Masėna hianao, teny Syriana[Heb. Aramiana.] no ataovy aminay mpanomponao, fa fantatray ihany izany; fa aza manao teny Jiosy ho ren'ny olona eny ambonin'ny mānda. 27 Fa hoy Rabsake taminy : Moa ho amin'ny tomponao sy hianao akory va no nanirahan'ny tompoko ahy hilaza izao teny izao, fa tsy ho amin'ny olona izay mipetraka eny ambonin'ny mānda, hihinanany izay tsy fihinany[Heb. ny tainy.] sy hisotroany izay tsy fisotrony [Heb. ny amaniny.] miaraka aminareo ? 28 Dia nijoro teo Rabsake ka niantso tamin'ny feo mahery tamin'ny teny Jiosy hoe : Henoy ny tenin'ny mpanjaka lehibe, dia ny mpanjakan'i Asyria : 29 Izao no lazain'ny mpanjaka : Aza mety hofitahin'i Hezekia hianareo, fa tsy hahavonjy anareo amin'ny tānako izy tsy akory. 30 Ary aza mety hampahatokin'i Hezekia an'i Jehovah hianareo amin'ny anaovany hoe : Jehovah no hamonjy antsika tokoa; ary tsy hatolotra eo an-tānan'ny mpanjakan'i Asyria tsy akory ity tanāna ity. 31 Aza mihaino an'i Hezekia; fa izao lazain'ny mpanjakan'i Asyria : Manaova fanekena amiko hiadanana, ka mankanesa aty amiko, ary samia homana ny voalobony ny aviaviny, ary samia misotro ny rano avy amin'ny lavaka famorian-dranony avy hianareo, 32 mandra-pihaviko hitondra anareo ho any amin'izay tany tahaka ny taninareo, dia tany misy vary sy ranom-boaloboka, tany misy mofo sy tanim-boaloboka, tany misy oliva tsara diloilo sy tantely, -- mba ho velona hianareo, fa tsy ho faty; ary aza mihaino an'i Hezekia, raha izy manome vohony anareo anareo amin'ny anaovany hoe : Jehovah no hamonjy antsika. 33 Moa nisy nahavonjy ny taniny tamin'ny mpanjakan'i Asyria va ireo andriamanitry ny firenena ? 34 Aiza moa ireo andriamanitr'i Hamata sy Arpada ? Ary aiza koa andriamanitr'i Sefarvaima sy Hena ary Iva ? Nahavonjy an'i Samaria tamin'ny tānako va ireo andriamaniny ? 35 Iza moa amin'ny andriamanitra rehetra amin'ny tany efa nahavonjy ny taniny tamin'ny tānako, koa aiza no hahavonjen'i Jehovah an'i Jerosalema amin'ny tānako ? 36 Nefa nangina ny olona, ka tsy nisy namaly azy na dia teny indraim-bava akory aza, satria ny mpanjaka efa nandidy hoe : Aza misy mamaly azy. 37 Ary Eliakima, zanak'i Hilkia. izay lehiben'ny tao an-dapa, sy Sebna mpanoratra ary Joa, zanak'i Asafa, mpitadidy ny raharaham-panjakana, dia niditra nankao amin'i Hezekia, sady voatriatra ny fitafiany, ary nilaza taminy ny tenin-dRabsake izy.