1 Nony fantatr段 Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan地y tan瀟a ka nitaraina sy nidradradradra mafy; 2 Ary tonga teo anoloan地y vavahadin地y mpanjaka azy izy nefa tsy nisy nahazo niditra teo amin地y vavahadin地y mpanjaka, raha nitafy lamba fisaonana. 3 Ary tany amin地y isan-tokony tamin地y fanjakana rehetra nalehan地y tenin地y mpanjaka sy ny didiny dia nalahelo mafy ny Jiosy ka nifady hanina sy nitomany Ary nidradradradra, sady maro no nandry tamin地y lamba fisaonana aman-davenona. 4 Ary niditra ny ankizivavin段 Estera sy ny tsindranolahiny ka nilaza izany taminy. Dia nalahelo indrindra ny vadin地y mpanjaka, ka nampanatitra lamba hitafian段 Mordekay izy mba hanesorany ny lamba fisaonana taminy; nefa tsy nety nandray izy. 5 Ary Estera niantso an段 Hat潴a, tsindranolahin地y mpanjaka, izay notendreny hanompo azy, ka nampitondra teny azy ho any amin段 Mordekay, mba hahafantarany izay anton段zany. 6 Dia nivoaka Hat潴a nakany amin段 Mordekay ho ao an-kalalahana eo an-tan瀟a, dia ilay eo anoloan地y vavahadin地y mpanjaka; 7 dia nambaran段 Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan地y vola izay nokasain段 Hamana haloa ho ao an-trano firaketan地y mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy. 8 Ary nomeny azy koa ny kopen地y lal瀟a, izay nantsoina tany Sosana handringanana azy, mba haseho amin段 Estera hampahafantatra azy izany sy handidy azy hiditra ao amin地y mpanjaka mba hifona aminy sy hangataka eo anatrehany ho an地y fireneny. 9 Ary tonga Hat潴a ka nanambara ny tenin段 Mordekay tamin段 Estera. 10 Fa Estera naniraka an段 Hat潴a indray hanao an段 Mordekay hoe: 11 Ny mpanompon地y mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran地y fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin地y mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lal瀟a iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondron地y mpanjaka amin地y tehim-bolamena hahavelona azy; Ary izaho anefa dia tsy mbola nantsona hiditra ao amin地y mpanjaka intsony telo-polo andro izay. 12 Dia nolazaina tamin段 Mordekay ny tenin段 Estera. 13 Ary Mordekay nampitondra valiny ho amin段 Estera hoe: Aza manao anakampo fa ho afaka mihoatra noho ny Jiosy rehetra hianao, saingy ao an-tranon地y mpanjaka; 14 fa raha hangina mihitsy hianao amin段zao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin地y fitoerana hafa ho an地y Jiosy, fa hianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; Ary iza no mahalala, fa angamba ho amin段zao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin地y fanjakana ? 15 Dia nampitondra valiny ho any amin段 Mordekay indray Estera ka nanao hoe: 16 Mandehana Ary, vorio ny Jiosy rehetra izay hita ato Sosana, Ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; Ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, Ary amin段zany no hidirako ao amin地y mpanjaka, na dia tsy araka ny lal瀟a aza; koa raha t濾iny maty aho dia maty. 17 Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian段 Estera azy.