1 Ary nony tamin地y andro fahatelo, dia niankanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin地y kianja anatiny amin地y tranon地y mpanjaka, dia teo anoloan地y tranon地y mpanjaka, Ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin地y seza fiandrianan地y fanjakana tao an-dapa, tandrifin地y vavahadin地y trano. 2 Ary nony hitan地y mpanjaka fa, indro Estera, vadin地y mpanjaka, nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; Ary ny mpanjaka nanondro an段 Estera tamin地y tehim-bolamena izay teny an-tanany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina. 3 Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin地y mpanjaka, Ary inona no tadiavinao ? Fa na dia hatramin地y antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany. 4 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka aoka, ny mpanjaka sy Hamana hankao anio amin地y fanasana izay efa namboariko ho azy. 5 Dia hoy ny mpanjaka: Asaovy avy faingana Hamana mba hanao araka ny tenin段 Estera.Ary ny mpanjaka sy Hamana dia nankeo amin地y fanasana izay efa namboarin段 Estera. 6 Ary hoy ny mpanjaka tamin段 Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao ? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao ? Fa na dia hatramin地y atsasaky ny fanjakana aza, dia homena izany. 7 Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko: 8 Raha mahita fitia eo imason地y mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin地y fanasana izay hamboariko ho azy indray; Ary rahampitso dia hanao araka ny tenin地y mpanjaka ihany aho. 9 Dia nivoaka tamin段zany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an段 Mordekay teo am-bavahadin地y mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory, dia feno fahatezerana taminy izy. 10 Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy. 11 Ary nambaran段 Hamana tamin段reo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan地y zanany mbamin段zay voninahitra rehetra nomen地y mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon地y mpanjaka. 12 Ary hoy koa Hamana: He! Estera, vadin地y mpanjaka, aza tsy naka olona afa-tsy izaho ihany hiaraka amin地y mpanjaka ho amin地ny fanasana izay efa namboariny; fa nasainy hiaraka amin地y mpanjaka aho koa rahampitso. 13 Nefa na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola mahafa-po ahy ihany, raha mbola mahita an段 Mordekay Jiosy mipetraka eo am-bavahadin地y mpanjaka aho. 14 dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, Ary raha maraina dia lazao amin地y mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin地y mpanjaka amain地y hafaliana ho any amin地y fanasana hianao. Ary sitrak段 Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.