1 Ary tamin段ny alina iny tsy nahita torimaso ny mpanjaka ka nampaka ny boky fitadidiana ny tantara; Ary novakina teo anatrehan地y mpanjaka izany. 2 Ka, indro, voasoratra fa Mordekay no niampanga an段 Bigtana sy Taresy, roa lahy isan地y tsindranolahin地y mpanjaka, dia ireo mpiambina teo am-baravarana izay nitady hamono an段 Ahasoerosy mpanjaka. 3 Ary hoy ny mpanjaka: Inona moa no fisandratana sy voninahitra mba efa nomena an段 Mordekay noho izany ? fa hoy ny zatovon地y mpanjaka izay nanompo azy: Tsy mbola nisy nomena azy. 4 Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao ? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan地y tranon地y mpanjaka tamin段zay hiteny amin地y mpanjaka ny amin地y hanantonana an段 Mordekay amin段lay hazo efa natsangany hanantonana azy. 5 Ka hoy ny zatovon地y mpanjaka taminy: Indro, Hamana no mitsangana ao an-kianja. Ary hoy ny mpanjaka: Asaovy miditra izy. 6 Dia niditra Hamana ka hoy ny mpanjaka taminy: Inona no mendrika hatao amin段zay lehilahy tian地y mpanjaka homem-boninahitra ? Ary Hamana nanao anakampo hoe: Koa iza indray moa no ho tian地y mpanjaka homem-boninahitra afa-tsy izaho ? 7 Ka dia hoy Hamana tamin地y mpanjaka: Ny amin段zay lehilahy tian地y mpanjaka homem-boninahitra, 8 aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan地y mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan地y mpanjaka sady voaisy satroboninahitra ny lohany; 9 dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-t瀟an地y anankiray izay malaza indrindra amin地y mpanapaka voatendrin地y mpanjaka, Ary aoka izay lehilahy tian地y mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin地y soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tan瀟a, Ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin地y lehilahy izay tian地y mpanjaka homem-boninahitra. 10 Dia hoy ny mpanjaka tamin段 Hamana: Faing瀟a Ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin段 Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin地y mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao. 11 Dia nalain段 Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an段 Mordekay izy Ary nampitaingina azy tamin地y soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tan瀟a ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin地y lehilahy izay tian地y mpanjaka homem-boninahitra. 12 Ary Mordekay niverina nankeo amin地y vavahadin地y mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha. 13 Dia nolazain段 Hamana tamin段 Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin地y taranaky ny Jiosy Mordekay, iza efa niatomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy hianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa. 14 Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo dia tonga ny tsindranolahin地y mpanjaka ka naka faingana an段 Hamana ho any amin地y fanasana izay efa namboarin段 Estera.