1 Salamo nataon'i Davida. Jehovah ô, iza no hitoetra ao amin'ny tabernakelinao? iza no honina ao an-tendrombohitrao masina? 2 Izay mandeha tsy misy tsiny ary manao izay mahitsy, sady misaintsaina ny marina ny fony; 3 Tsy manendrikendrika amin'ny lelany, sady tsy manisy ratsy ny sakaizany, ary tsy manao izay hahafa-baraka ny namany, 4 Tsy manaja ny ratsy fanahy*, fa manome voninahitra ny matahotra an'i Jehovah; tsy mivadika amin'ny fianianany, na dia maningotra ny tenany aza, [Heb: Ny lavina. Na: Izay mietry sy maniva tena] 5 Sady tsy mampihana ny volany, na mandray kolikoly hanameloka ny marina, izay mitandrina izany dia tsy mba hangozohozo mandrakizay.