1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Hihaino anao anie Jehovah amin'ny andro fahoriana; hitondra anao ho any amin'ny avo anie ny anaran'Andriamanitr'i Jakoba. 2 Hahatonga famonjena ho anao avy amin'ny fitoerana masina anie Izy, ary hanohana anao avy any Ziona. 3 Hahatsiaro ny fanatitra hohaninao rehetra anie Izy, ary hankasitraka ny fanatitra doranao. 4 Hanome anao araka ny fonao anie Izy ary hahatanteraka ny fisainanao rehetra. 5 Aoka hihoby noho ny famonjena azonao izahay, ary amin'ny anaran'Andriamanitray no hanangananay faneva; ho tanterahin'i Jehovah anie ny angatahinao rehetra. 6 Ankehitriny dia fantatro fa Jehovah mamonjy ny voahosony; hamaly azy avy amin'ny lanitry ny fahamasinany Izy amin'ny herin'ny famonjen'ny tànany ankavanana. 7 Ny sasany mitoky amin'ny kalesy, ary ny sasany amin'ny soavaly; Fa raha izahay kosa, dia ny anaran'i Jehovah Andriamanitray no hoderainay. 8 Ireo dia reraka sady lavo; fa izahay kosa efa mitsangana sy mijoro, 9 Jehovah ô, vonjeo ny mpanjaka; hamaly anay anie Izy* amin'izay andro iantsoanay Azy.[Na: Jehovah ô, vonjeo! Hamaly anay anie ny Mpanjaka]