1 Nataon'i Davida. Tsarao aho, Jehovah ô, fa mandeha amin'ny fahamarinako aho; ary Jehovah no itokiako, ka tsy miahanahana aho. 2 Diniho aho, Jehovah ô, ka fantaro; izahao toetra ny voako sy ny foko. 3 Fa ny famindram-ponao no eo anoloan'ny masoko; ary mandeha amin'ny fahamarinanao aho. 4 Tsy mba miara-mipetraka amin'ny olon-dratsy aho, na manan-draharaha amin'ny olom-petsy. 5 Halako ny fiangonan'ny mpanao ratsy; ary tsy miara-mipetraka amin'ny ratsy fanahy aho. 6 Manasa ny tanako noho ny fahamarinako aho, ka te-hitoetra eo akaikin'ny alitaranao, Jehovah ô, 7 Mba hanao feo fiderana, ka hilaza ny asanao mahagaga rehetra. 8 Jehovah ô, tiako ny trano itoeranao, dia ny fonenan'ny voninahitrao. 9 Aza mitondra ny fanahiko hiara-maty amin'ny mpanota, na ny aiko amin'ny mpandatsa-drà, 10 Izay misy fitaka eny an-tànany, ary feno kolikoly ny tànany ankavanana. 11 Fa izaho kosa dia mandeha amin'ny fahamarinako; avoty sy amindrao fo aho. 12 Ny tongotro mijoro eo amin'ny tany marina; eo am-piangonana no isaorako an'i Jehovah.