1 Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho. 2 Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao. 3 Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita* Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola] 4 Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany* masina.[Heb: fahatsiarovana] 5 Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. 6 Ary hoy izaho, raha mbola niadana*: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako] 7 Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. 8 Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe: 9 Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? 10 Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. 11 Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana, 12 Mba hankalazan'ny fanahiko* Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]