1 Nataon'i Davida. Maskila. Sambatra ny olona izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. 2 Sambatra ny olona izay tsy isain'i Jehovah heloka, ary tsy misy fitaka ny fanahiny. 3 Raha nangina aho, dia nihalany ny taolako rehetra, noho ny fitarainako mandrakariva, 4 Fa efa navesatra tamiko andro aman'alina ny tananao; niova ny fahatanjahako toy ny azon'ny fahamainana amin'ny lohataona. 5 Ny fahotako nambarako taminao, ary ny heloko tsy mba nafeniko. Hoy izaho: hiaiky ny fahadisoako amin'i Jehovah aho; ary Hianao dia namela ny heloky ny fahotako. 6 Izany no aoka hivavahan'ny tsara tsara fanahy rehetra aminao amin'izay andro hahitana Anao; eny tokoa, na dia tondraka aza ny rano be, tsy hahatratra azy izany. 7 Hianao no fiereko, miaro ahy tsy ho azon'ny fahoriana Hianao; fihobiam-pamonjena no ahodidinao ahy. 8 Hanome saina anao sy hampianatra anao izay lalan-kalehanao Aho; hitsinjo anao ny masoko ka hanolo-tsaina anao Aho. 9 Aza manahaka ny soavaly na ny ampondra tsy manan-tsaina; vy sy lamboridy no haingo hihazonana azy, fa tsy mety manakaiky anao izy. 10 Be ny fanaintainan'ny ratsy fanahy, fa izay matoky an'i Jehovah kosa dia ho hodidinin'ny famindram-po. 11 Mifalia amin'i Jehovah, ary ravoravoa, ianareo olo-marina, ary mihobia, ianareo mahitsy fo rehetra.