1 Omeo rariny aho, Andriamanitra ô, ary alaharo ny teniko haharesy ny firenena tsy misy famindram-po; Vonjeo aho ho afaka amin'ny lehilahy mpamitaka sy mpanao meloka. 2 Fa Hianao no Andriamanitry ny heriko; Nahoana no manary ahy Hianao? Nahoana no mandeha mijoretra aho noho ny fampahorian'ny fahavaloko? 3 Ampandehano ny fahazavanao sy ny fahamarinanao; aoka hitarika ahy ireo ka hitondra ahy ho any an-tendrombohitrao masina, dia ho any amin'ny tabernakelinao. 4 Dia hankany amin'ny alitaran'Andriamanitra aho, dia any amin'Andriamanitry ny fifaliako indrindra; ary hidera Anao amin'ny lokanga aho, ry Andriamanitra ô, dia Andriamanitro. 5 Nahoana no mitanondrika ianao ry fanahiko? ary nahoana no mitoloko ato anatiko ianao? manantenà an'Andriamanitra, fa mbola hidera Azy ihany aho. Izy no famonjena ny tavako sady Andriamanitro.