1 Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'ny Koraita; At-alamoth; Tonon-kira. Andriamanitra no aro sy hery ho antsika; Mpamonjy mora azo indrindra amin'ny fahoriana Izy. 2 Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin'ny ranomasina aza ny tendrombohitra, 3 Na mirohondrohona sy misamboaravoara aza ny onjany, ka mihorohoro ny tendrombohitra noho ny fisafoakany. 4 Misy ony, koa ny sampany dia mampifaly ny tanānan'Andriamanitra, Fonena-masin'ny Avo Indrindra. 5 Andriamanitra no eo afovoany, ka tsy mba hihetsika izy; Andriamanitra no hamonjy azy, rehefa madiva ho maraina ny andro. 6 Nitabataba ny firenen-tsamy hafa, nikotrankotrana ny fanjakana maro; nanonona ny feony Izy, ka niempo ny tany. 7 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no fiarovana avo ho antsika. 8 Avia, jereo ny asan'i Jehovah, izay mahatonga faharavana et? an-tany; 9 Mampitsahatra ady hatramin'ny faran'ny tany Izy; manapaka ny tsipėka sy manito ny lefona Izy, ary mandoro ny sariety amin'ny afo. 10 Mitsahara, ka aoka ho fantatrareo fa Izaho no Andriamanitra; hisandratra amin'ny firenen-tsamy hafa Aho, hisandratra amin'ny tany Aho. 11 Jehovah, Tompon'ny maro, no momba antsika; Andriamanitr'i Jakoba no aro ho antsika.