1 Ho an'ny mpiventy hira Al-sho-shanedoth. Miktama nataon'i Davida hampianarana, fony izy nanafika an'i Mesopotamia* sy Arama-zoba tamin'ny niverenan'i Joaba ka namelezany ny Edomita roa arivo amby iray alin-dahy teo amin'ny lohasahan-tsira. Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.[Arama-naharaima] 2 Efa nampihorohoro ny tany Hianao ka namaky azy; amboary izay rava aminy, fa mihozongozona izy. 3 Efa nampahita ny olonao zava-tsarotra Hianao, ary efa nampisotro anay divay mampiraikiraiky. 4 Efa notoloranao faneva ny matahotra Anao, hatsangany noho ny fahamarinana. 5 Mba hahafahan'ny malalanao, dia vonjeo amin'ny tananao ankavanana aho, ka valio. 6 Andriamanitra niteny tamin'ny fahamasinany hoe: hifaly Aho ka hizara an'i Sekema; ary ny lohasahan'i Sokota horefesiko; 7 Ahy Gileada, Ahy koa Manase; ary aron'ny lohako Efraima tehim-panjakako Joda; 8 Tavin-dranoko fanasana Moaba; Edoma no anipazako ny kapako; mihobia noho ny amiko, ry Filistia. 9 Iza no hitondra ahy ho any an-tanàna mafy? iza no hitarika ahy ho any Edoma? 10 Tsy Hianao va, Izay efa nanary anay*, Andriamanitra ô. Sady tsy nivoaka niaraka tamin'ny antokon'ny miaramilanay, Andriamanitra ô? [Na: Tsy efa nanary anay va Hianao] 11 Vonjeo amin'ny mpandrafy izahay; fa zava-poana ny famonjena ataon'ny olona. 12 Andriamanitra no haherezantsika; fa Izy no hanitsakitsaka ny fahavalontsika.