1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. Henoy ny feoko, raha mitaraina aho, Andriamanitra ô; arovy ny aiko amin'ny tahotro ny fahavalo. 2 Afeno aho tsy ho azon'ny firaisan-tetiky ny ratsy fanahy,sy ny fitabataban'ny mpanao ratsy, 3 Izay mandranitra ny lelany ho tahaka ny sabatra, ka mikendry handefa ny zana-tsipėkany, dia teny mangidy. 4 Mba hitifitra mangingina ny mahitsy; mitifitra azy tampoka izy ka tsy matahotra. 5 Hamafiny ny hevi-dratsiny; mifampitaona hanao fandri-totofana izy ka manao hoe: iza no hahita izany? 6 Manao saim-petsy izy; omaniny tsara ny sain-dalina voaheviny; lalina ny ao anatin'ny olombelona, dia ny fony. 7 Mitifitra azy Andriamanitra; tampoka toy ny fiantefan'ny zana-tsipėka no fahavoazany. 8 Apotrany izy ka voasingotra ny lelany ihany; mandositra* izay rehetra mahita azy.[Na: Mihifikifi-doha] 9 Dia matahotra ny olona rehetra ka manambara ny ataon'Andriamanitra sady mandinika tsara ny asany. 10 Mifaly amin'i Jehovah ny marina ka mialoka aminy; eny, mifaly tena ny mahitsy fo rehetra.