1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-shoshanim-edoth. Salamo nataon'i Asafa. Ry Mpiandry ny Isiraely ô, mihainoa, Hianao Izay mitondra an'i Josefa toy ny ondry; Hianao, Izay mipetraka amin'ny kerobima, mamirapiratra. 2 Fohazy ny herinao eo anoloan'i Efraima sy Benjamina ary Manase, ka avia hamonjy anay. 3 Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny Tavanao, ary aoka hovonjena izahay. 4 Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, mandra-pahoviana no hanetroka amin'ny fivavaky ny olonao* ny fahatezeranao?[Na: na dia mivavaka aza ny olonao] 5 Mampihinana azy mofo len-dranomaso Hianao, ary mampisotro azy ranomaso tovozina. 6 Ataonao ho fifandirana amin'ny mifanila fonenana aminay izahay; ary ny fahavalonay mifaly handatsa. 7 Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay. 8 Nisy voaloboka nafindranao avy tany Egypta; nandroaka ny jentilisa Hianao ka namboly azy kosa. 9 Nitevy teo alohany Hianao, dia namaka lalina izy ka nameno ny tany. 10 Nanaloka ny tendrombohitra ny alokalony, ary ny sampany nanaloka ny sedera andrian-kazo*.[Heb: sederan'Andriamanitra] 11 Nampisandrahaka ny rantsany hatramin'ny ranomasina izy, ary ny sakeliny hatramin'ny Ony*.[Eofrata] 12 Nahoana no noravànao ny fefiny ka anotazan'izay rehetra mandalo eny an-dalana izy? 13 Ny lambo avy any an'ala mitrongy azy; ary izay bibi-dia any an-tsaha mandàny azy. 14 Ry Andriamanitry ny maro ô, miverena, ka tsilovy any an-danitra, ary jereo, ka vangio ity voaloboka ity. 15 Arovy* izay nambolen'ny tananao ankavanana sy ny zanaka izay nampaherezinao ho Anao.[Na: Dia] 16 Voadotry ny afo izy sady voakapa; fongotry ny fananaran'ny tavanao izy. 17 Aoka ny tananao ho amin'ny lehilahin'ny tananao ankavanana, dia amin'ny zanak'olombelona izay nampaherezinao ho Anao. 18 Dia tsy hihemotra hiala aminao izahay; velomy izahay, dia hiantso ny anaranao. 19 Ry Jehovah, Andriamanitry ny maro ô, ampodio izahay; ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena Izahay.