1 Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'ny Koraita. Jehovah ô, efa naneho fitia tamin'ny taninao Hianao, Efa nampodinao Jakoba avy tamin'ny fahababoany. 2 Voaisotrao ny heloky ny olonao, Voasaronao ny fahotany rehetra. 3 Efa nampijanona ny fahatezeranao rehetra Hianao, Ary niala tamin'ny fahatezeranao mirehitra. 4 Miverena aminay, ry Andriamanitry ny famonjena anay ô, Ary ampitsaharo ny fahatezeranao aminay. 5 Ho tezitra aminay mandrakizay va Hianao? Hampaharetinao hahatratra ny taranaka fara mandimby va ny fahatezeranao? 6 Tsy hovelominao indray va izahay, Mba hifalian'ny olonao aminao? 7 Asehoy anay ny famindram-ponao, Jehovah ô, Ka omeo anay ny famonjenao. 8 Hihaino izay holazain'i Jehovah Andriamanitra aho; Fa hilaza fiadanana amin'ny olony Izy, dia amin'ny olony masina; Koa aoka tsy hiverina ho ao amin'ny fahadalana ireo. 9 Eny tokoa, akaikin'izay matahotra Azy ny famonjeny, Mba hitoeran'ny voninahitra eo amin'ny tanintsika. 10 Mihaona ny famindram-po sy ny fahamarinana; Mifanoroka ny rariny sy ny fihavanana. 11 Ny fahamarinana mitsimoka amin'ny tany; Ary ny rariny mitsinjo eny an-danitra. 12 Eny, Jehovah hanome ny tsara Ary ny tanintsika hahavoka-javatra. 13 Ny rariny no hialoha Azy, Sady hizotra hanaraka ny diany eny an-dalana.