1 Salamo nataon'i Davida. Izao no lazain'i Jehovah amin'ny Tompoko: Mipetraha eo an-tanako ankavanana Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao. 2 Ny tehin'ny herinao Havoak'i Jehovah avy ao Ziona; Manapaha eo amin'ny fahavalonao Hianao. 3 Ny olonao dia mazoto manolo-tena amin'ny andro anafihanao*; Amin'ny fihaingoana masina, tahaka ny ando ateraky ny maraina ho Anao ny zatovonao.[Na: andron'ny herinao] 4 Efa nianiana Jehovah ka tsy hanenina: Hianao no Mpisorona mandrakizay Araka ny fanaon'i Melkizedeka. 5 Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin'ny andron'ny fahatezerany 6 Hitsara any amin'ny jentilisa Izy ka hampiampatrampatra faty any; Handripaka loholona* any amin'ny tany malalaka Izy.[Heb. loha] 7 Hisotro amin'ny ony any an-dalana Izy, Ka izany no hitrakan'ny lohany.