1 Haleloia. Sambatra ny olona izay matahotra an'i Jehovah Sady mankasitraka ny didiny indrindra. 2 Hahery ambonin'ny tany ny zanany; Hotahina ny taranaky ny marina. 3 Fananana sy harena no ao an-tranony; Ary ny fahamarinany haharitra mandrakizay. 4 Ao amin'ny maizina no iposahan'ny mazava ho an'ny mahitsy; Mamindra fo sy miantra ary marina ireny*.[Na: Izy] 5 Sambatra ny olona izay miantra ka mampisambotra; Tsy mba ho resy eo am-pitsarana izy. 6 Fa tsy hangozohozo mandrakizay izy; Hotsarovana mandrakizay ny marina. 7 Tsy mba manahinahy hahare loza izy; Tafatoetra matoky an'i Jehovah ny fony. 8 Voatohana ny fony, ka tsy hatahotra izy, Mandra-pifaliny mahita ny amin'ny mpandrafy azy. 9 Namafy izy, eny, nanome ho an'ny malahelo; Ny fahamarinany maharitra mandrakizay; Hisandratra amim-boninahitra ny tandrony. 10 Ny ratsy fanahy hahita ka ho sosotra; Hihidy vazana izy ka ho levona; Ho foana ny fanirian'ny ratsy fanahy.