1 Haleloia. Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah, Miderà ny anaran'i Jehovah. 2 Isaorana anie ny anaran'i Jehovah Hatramin'izao ka ho mandrakizay. 3 Hatramin'ny fiposahan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany No hoderaina anie ny anaran'i Jehovah. 4 Avo ambonin'ny jentilisa Jehovah; Ambonin'ny lanitra ny voninahiny. 5 Iza no tahaka an'i Jehovah Andriamanitsika, Izay mipetraka any amin'ny avo, 6 Nefa miondrika mijery Ny any an-danitra sy ny et? an-tany? 7 Manangana ny malahelo hiala amin'ny vovoka Izy Ary manandratra ny mahantra ho afaka eo amin'ny zezika, 8 Mba hametraka azy ho naman'ny mpanapaka ny olony. 9 Mampitoetra tsara ny momba Izy, Fa mahatonga azy ho renin-jaza mifaly. Haleloia.