1 Fihirana fiakarana*. Jehovah no nitarainako tamin'ny fahoriako dia namaly ahy Izy,[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Jehovah ô, vonjeo ny fanahiko amin'ny molotra mandainga, Eny, amin'ny lela mamitaka 3 Inona no homeny anao, ary inona koa no hataony aminao, Ry lela mamitaka? 4 Zana-tsipėkan'ny mahery sady voaranitra, Mbamin'ny vain'afon'anjavidy*.[Izahao 1 Mpan. xix. 4] 5 Lozako, fa mivahiny eto amin'ny Maseka aho Ary mitoetra ato an-dain'ny Kedarita! 6 Ela loatra izay no nitoeran'ny fanahiko teo amin'Izay tsy tia fihavanana. 7 Raha izaho, dia fihavanana; Kanjo nony miteny aho, dia mila ady kosa ireny.