1 Fihirana fiakarana*. Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora, Eny, aoka hataon'ny Isiraely hoe: [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Mafy no nampahoriany ahy hatry ny fony aho mbola tanora; Nefa tsy naharesy ahy izy. 3 Ny mpiasa dia niasa ny lamosiko; Efa nanalava ny vavasany izy. 4 Marina Jehovah: Efa nanapaka ny famatorana nataon'ny ratsy fanahy Izy. 5 Aoka ho menatra sy hiamboho Izay rehetra mandrafy an'i Ziona 6 Ka ho tahaka ny ahitra eo an-tampon-trano. Izay malazo, na dia tsy misy manongotra azy aza; 7 Tsy misy mpijinja mameno tanana Na mpamehy amboara mameno tratra amin'izany; 8 Ka dia tsy hisy mpandalo hanao hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo; Eny, ny anaran'i Jehovah no itsofanay rano anareo.