1 Fihirana fiakarana*. Tao amin'ny lalina no niantsoako Anao, Jehovah ô, [Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] 2 Tompo ô, henoy ny feoko; Aoka ny sofinao hihaino tsara ny feon'ny fifonako. 3 Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? 4 Fa eo aminao no misy ny famelan-keloka, Mba hatahorana Anao. 5 Niandry an'i Jehovah aho; eny, niandry Azy ny fanahiko, Ary ny teniny no nanantenako. 6 Ny fanahiko miandry ny Tompo Mihoatra noho ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina, Dia ny fiandrin'ny mpiambina ny maraina. 7 Manantenà an'i Jehovah, ry Isiraely; Fa eo amin'i Jehovah no misy famindram-po sy fanavotana be; 8 Ary Izy no hanavotra ny Isiraely Ho afaka amin'ny helony rehetra.