1 Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona. 2 Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay. 3 Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay. 4 Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana? 5 Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino. 6 Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra. 7 Jehovah ô, tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany. 8 Ry Babylona zanakavavy izay efa resy*, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.[Na: ho resy] 9 Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.