1 Nataon'i Davida. Hidera Anao amin'ny foko rehetra aho; Eo anatrehan'ireo andriamanitra no hankalazako Anao. 2 Hivavaka manandrify ny tempolinao masina aho Ka hidera ny anaranao noho ny famindram-ponao sy ny fahamarinanao; Fa efa nomenao voninahitra ny teninao ho ambonin'ny anaranao rehetra. 3 Tamin'ny andro nitarainako dia namaly ahy Hianao; Nomenao fahasahiana aho ka nisy hery ny fanahiko. 4 Jehovah ô, hidera Anao ny mpanjaka rehetra amin'ny tany, Fa handre ny tenin'ny vavanao izy. 5 Eny hihira ny amin'ny lalan'i Jehovah izy; Fa lehibe ny voninahitr'i Jehovah. 6 Fa na dia avo aza Jehovah dia* mijery ny ambany toetra, Ary ny mpiavonavona fantany eny lavitra eny.[Na: Fa avo Jehovah ka] 7 Na dia handeha eo amin'ny fahoriana aza aho dia hamelona ahy Hianao; Haninjitra ny tananao hanohitra ny fahatezeran'ny fahavaloko Hianao Ary hamonjy ahy ny tananao ankavanana. 8 Jehovah no hahatanteraka ny amiko; Jehovah ô, mandrakizay ny famindram-ponao; Aza mahafoy ny asan'ny tananao.