1 RY zanaka, henoy ny anatry ny ray, Ary tandremo mba hahazoanareo ry fahalalana tsara. 2 Fa anatra tsara no omeko anareo; Aza mahafoy ny lalāko. 3 Fa zanak'ikaky aho, Sady tiana [Heb. malemilemy.] no hany malala teo imason'ineny. 4 Ary nampianatra ahy izy ka nanao tamiko hoe: Aoka ny fonao hitana ny teniko; Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao. 5 Mahazoa fahendrena, mahazoa fahalalana; Fa aza hadinoina na ihemorana ny teny aloaky ny vavako. 6 Aza mahafoy azy, fa hiaro anao izy: Tiavo izy, dia hitandrina anao. 7 Ny voaloham-pahendrena dia izao: [Na: Fahendrena no ambony indrindra.] Mahazoa fahendrena; Eny, lanio ny fanananao rehetra hamidy fahalalana tsara. 8 Asandrato izy, dia hanandratra anao kosa Eny, hanome voninahitra anao izy, raha tānanao. 9 Dia hasiany fehilona mahafinaritra ny lohanao; Eny, satroboninahitra tsara tarehy no homeny anao. 10 Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao. 11 Lālam-pahendrena no atoroko anao; Eny, mitarika anao amin'ny lālana mahitsy aho. 12 Raha mandeha hianao, dia tsy ho ety ny lālanao; Ary raha mihazakazaka hianao, dia tsy ho tafintohina. 13 Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao. 14 Aza mankany amin'ny alehan'ny ratsy fanahy, Ary aza mizotra amin'ny lālan'ny ratsy. 15 Manalavira azy; aza mandalo eo akory; Mivilia azy, ka mizora. 16 Fa tsy matory ireny, raha tsy efa nanao ratsy; Ary tsy mahita torimaso izy, raha tsy efa nanafintohina ny sasany. 17 Fa mihinana ny mofon'ny faharatsiana izy, Sy misotro ny divain'ny fahalozana. 18 Fa ny lālan'ny marina dia toy ny fipoak'andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan'ny andro. 19 Ny alehan'ny ratsy fanahy dia toy ny aizim-pito; Tsy fantany akory izay manafintohina azy. 20 Anaka, tandremo ny teniko; Atongilano ny sofinao hihaino ny filazako. 21 Aza avela hiala eo imasonao izy, Fa raketo ao am-ponao. 22 Fa aina ho an'ny mahazo azy izy Ary fahasalamana ho an'ny nofony rehetra. 23 Tandremo ny fonao mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana; Fa avy ao aminy no ihavian'[Heb. fivoahan'.] ny aina. 24 Esory aminao ny vava mandainga, Ary ampanalaviro anao ny molotra mamitaka. 25 Aoka ny masonao hijery mahitsy, Ary ny hodimasonao hibanjina eo anoloanao. 26 Ataovy marina ny [Na: Saino tsara izay.] alehan'ny tongotrao, Dia ho voalamina ny alehanao rehetra; 27 Aza mivily, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia; Esory amin'ny ratsy ny tongotrao.