1 ANAKA, raha niantoka ny namanao hianao Ary nandray tànana hiantoka ny hafa, 2 Ka voafandriky ny teny naloaky ny vavanao hianao Sady voasingotry ny teny naloaky ny vavanao, 3 Dia izao no ataovy, anaka, ka afaho ny tenanao Satria efa mby eo an-tànan'ny namanao hianao) Andeha mihohoka sy mifona mafy amin'ny namanao. 4 Aza avela hatory akory ny masonao, Ary aza avela hilondolondo ny hodimasonao. 5 Afaho ny tenanao toy ny gazela [Izahao 2 Sam. ii. 18.] miala amin'izay mihazona azy, Ary toy ny voron-kely miala amin'ny tànan'ny mpamandrika. 6 Mandehana any amin'ny vitsika, ry ilay malaina; Diniho ny fanaony, ka mba hendre; 7 Tsy manana komandy ireny, Na mpifehy, na mpanapaka, 8 Nefa mamory ny haniny raha fahavaratra izy, Ary manangona ny fihinany amin'ny fararano. 9 Mandra-pahoviana no mbola handry ihany hianao, ry ilay malaina? Rahoviana no hifoha amin'ny torimasonao hianao? 10 Mbola hatory kely ihany, mbola ho renoka kely ihany, Ary mbola hanohon-tànana kely hatory, 11 Dia ho tonga toy ny lehilahy mimaona hamely ny alahelonao, Ary ny fahantranao ho toy ny jiolahy. 12 Ny olona tena ratsy fanahy sy mpanao ratsy Dia ilay mandehandeha manao vava ratsy, 13 Izay maḿ-maso sy manao famantarana amin'ny tongony Ary manao baiko amin'ny rantsan-tànany; 14 Fahafetsena no ao am-pony, Mihevi-dratsy mandrakariva izy Sady mamafy ady. 15 Ary noho izany dia ho avy tampoka kosa ny loza hanjo azy; Ho torotoro tampoka izy, ka tsy hisy fahasitranana. 16 Izao enina izao no halan'i Jehovah, Eny, fito no ataony ho fahavetavetana 17 Ny maso miavonavona, ny lela fandainga, Ary ny tànana mandatsa-dra marina, 18 Ny fo mamoron-tsain-dratsy, Ny tongotra malaky mihazakazaka hanao ratsy, 19 Ny mamoaka lainga ho vavolombelona tsy marina, Ary ny mamafy ady ao amin'ny rahalahy. 20 ANAKA, tandremo ny didin-drainao, Ary aza mahafoy ny lalàn-dreninao. 21 Afatory amin'ny fonao mandrakariva ireo, Ary afehezo eo am-bozonao, 22 Raha mandeha hianao, dia hitari-dàlana anao ireo; Raha mandry hianao, dia hiambina anao; Ary raha mifoha hianao, dia hamelona eritreritra anao. 23 Fa jiro ny didy, ary fanazavana ny lalàna, Ary làlan'aina ny anatra famaizana, 24 Hiarovana anao amin'ny vehivavy ratsy fanahy, Ary amin'ny fandroboan'ny lelan'ny vahiny janga. [Heb. lelam-bahiny] 25 Aoka ny fonao tsy haniry ny hatsaran-tarehiny; Ary aoka tsy hahazo anao amin'ny hodi-masony izy. 26 Fa noho ny vehivavy mpijangajanga no mila tsy hananan'ny lehilahy sombi-mofo, Ary ny amin'ny vadin'ny olona no mihaza ny aina soa. 27 Mahatondra afo ao an-tratran'akanjony va ny olona, Ka tsy ho may ny akanjony? 28 Misy mahadia vain'afo va, Ka tsy ho may ny tongony? 29 Dia toy izany ízay mankamin'ny vadin'ny namany; Tsy maintsy hampijalina izay mikasika azy. 30 Tsy avelan'ny olona ho afa-maina ny mpangalatra, Raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy, na dia noana aza; 31 Fa [Na: Ny olona tsy manome tsiny ny mpangalatra, raha maka zavatra hahavoky ny tenany izy satria noana; Nefa] raha azo izy, dia hampanoneriny fito heny Ka hanome ny fananana rehetra ao an-tranony. 32 Izay mijangajanga amin'ny vehivavy dia tsy ampy saina; Izay ta-hanimba tena no manao izany. 33 Voakapoka sy afa-baraka izy Ary tsy ho afaka amin'ny tondro-molotra. 34 Fa ny fahasaro-piaro dia mampirehitra ny fahatezeran-dehilahy, Koa tsy hamindra fo izy amin'ny andro hamaliany. 35 Tsy handray vola ho enti-manalady [Heb. avotra.] akory izy, Ary tsy hety, na dia omenao fanambatambazana be aza.