1 Anaka, tandremo ny teniko, Ary raketo ao aminao ny didiko. 2 Tandremo ny didiko, dia ho velona hianao; Ary tandremo toy ny anakandriamasonao ny lalāko. 3 Afehezo eo amin'ny rantsan-tānanao izy, Soraty ao amin'ny fonao tahaka ny amin'ny vato fisaka izy. 4 Ny fahendrena dia ilazao hoe: Anabaviko hianao; Ary ny fahafantarana dia antsoy hoe: Sakaiza mahazatra hianao; 5 Mba hiarovana anao amin'ny vehivavy jejo, [Heb. vehivavy tsy vadinao.] Dia amin'ny vahiny janga izay manao teny mandrobo. 6 Fa teo amin'ny varavarankelin'ny tranoko, Dia teo amin'ny makarakara, no nitsirihako, 7 Ka nahita anankiray tamin'ny kely saina aho, Eny, nandinika ny tovolahy aho ka nahita zazalahy anankiray tsy ampy saina, 8 Izay nandeha tamin'ny lālana akaikin'ny zoron-tranon'ny vehivavy janga Sy nizotra nankany an-tranony, 9 Nony takariva ilay somambisamby iny Sy tamin'ny alina efa maizina dia maizina. 10 Dia, indro, nisy vehivavy nitsena azy Sady manao fitafin'ny janga no mifetsy am-po, 11 Sady vavana no maditra, Tsy mahajanona ao an-tranony ny tongony; 12 Fa vetivety mby eny an-dālambe izy, ary vetivety mby eny an-tsena, Ary mamitsaka eny an-joron-trano rehetra eny izy. 13 Ka dia nisavika ilay tovolahy izy ka nanoroka azy Sady nisolantsolana taminy ka nilaza hoe: 14 Efa nivoady hanatitra fanati-pihavanana aho; Ary andro-any no nanefako ny voadiko. 15 Koa dia nivoaka hitsena anao aho, Mba hitady fatratra ny tarehinao, ka dia nahita anao tokoa. 16 Ny fandriako efa nasiako firakotra tsara, Dia lambam-pandriana misoratsoratra voafoly hatrany Egypta. 17 Efa norarahako zava-manitra ny fandriako, Dia miora sy hazomanitra [Heb. ahalima.] ary havozo manitra. 18 Andeha, aoka isika hivoky fitia ambara-pahamarain'ny andro, Aoka ho feno fahafinaretana amin'ny fitiavana isika. 19 Fa tsy ao an-trano ny lehilahy, Fa lasa nivahiny lavitra izy; 20 Ny kitampom-bola dia nentiny any an-tānany, Ka tsy mbola hody izy mandra-pahafenon'ny volana. 21 Tamin'ny teny maro no nampanekeny azy, Tamin'ny fandroboan'ny molony no nitaomany azy, 22 Ka dia nandeha nanaraka azy niaraka tamin'izay ilay zatovo, [Na: Na iza na iza mandeha manaraka azy dia.] Tahaka ny omby entina hovonoina, Ary tahaka ny adala hogadrana [Heb. tahaka ny gadra ho famaizana ny adala.] 23 Ambara-piboroaky ny lefompohy amin'ny atiny, Ary tahaka ny vorona mipaoka ny fandrika, Fa tsy fantany hahafaty ny ainy izany. 24 Koa mihainoa ahy hianareo, anaka, Ary tandremo ny teny aloaky ny vavako. 25 Aoka tsy hivily ho any amin'ny lālany ny fonareo, Ary aza mania ho amin'ny alehany. 26 Fa betsaka no naripany ka maty; Ary maro be no efa matiny. 27 Ny tranony dia lālana mankany amin'ny fiainan-tsi-hita, [Heb. Sheola.] Eny, midina ho any amin'ny efitranon'ny fahafatesana.