1 Ny mizana mandainga dia fahavetavetana eo imason'i Jehovah; Fa ny vato marina no ankasitrahany. 2 Raha tonga ny fiavonavonana, dia tonga koa ny fahafaham-baraka; Fa ao amin'ny manetry tena no misy fahendrena. 3 Ny fahitsian'ny mahitsy no mitarika azy; Fa ny faharatsian'ny mpivadika mahatonga fandringanana amin'ny tenany. 4 Ny harena dia tsy mahasoa amin'ny andro fahatezerana; Fa ny fahamarinana no mamonjy tsy ho azon'ny fahafatesana. 5 Ny fahamarinan'ny marina mandamina ny alehany; Fa ny ratsy fanahy lavon'ny haratsiany ihany. 6 Ny fahamarinan'ny mahitsy mamonjy azy; Fa ny mpivadika dia voafandriky ny filàny. 7 Raha maty ny ratsy fanahy, dia foana ny fanantenany, Eny, foana ny fanantenan'ny mpanao ratsy. [Na: mahery.] 8 Ny marina dia vonjena amin'ny fahoriana; Fa ho avy kosa ny ratsy fanahy hisolo azy. 9 Ny vavan'ny mpihatsaravela-tsihy [Na: ratsy fanahy.] no animbany ny namany; Fa ny fahalalana no hanafahana ny marina. [Na: Ny fahalalan'ny marina no hanafahana ny namany.] 10 Raha miadana ny marina, dia ravoravo ny tanàna; Fa raha ringana ny ratsy fanahy, dia velona ny hoby. 11 Ny fisaoran'[Na: Ny fitahiana avy amin'.] ny marina no isandratan'ny tanàna; Fa ny vavan'ny ratsy fanahy no aharavany. 12 Tsy ampy saina izay manamavo ny namany; Fa izay hendry dia mangina. 13 Izay mandehandeha manaratsy dia manambara ny hevitra afenina; Fa ny olona mahatoky tsy mba tia lazalaza. 14 Raha tsy misy mpitondra, dia rava ny firenena; Fa handry fahizay, raha maro ny mpanolo-tsaina. 15 Hahita loza tokoa ny mianto-bahiny; Fa mitoetra tsy manana ahiahy ny tsy tia antoka. 16 Ny vehivavy tsara tarehy mahazo dera; Ary ny mpanao an-keriny mahazo harena. 17 Ny olona mamindra fo dia mahazo soa ho an'ny tenany; Fa ny lozabe dia tod́n'ny halozany. 18 Ny ratsy fanahy dia mahazo valiny tsy mahasoa; Fa izay mamafy fahamarinana no mahazo izay tena tambiny tokoa. 19 Ny tena fahamarinana dia mamantana any amin'ny fiainana; Fa izay fatra-panaraka ny ratsy dia iharan'ny fahafatesana. 20 Fahavetavetana eo imason'i Jehovah ny meloka am-po; Fa ankasitrahany kosa izay mandeha tsy misy tsiny. 21 Azo itompoana tokoa fa [Azo ifandraisan-tànana fa; na: Hatramin'ny taranaka fara mandimby dia.] tsy maintsy hampijalina ny ratsy fanahy; Fa ny taranaky ny marina no hovonjena. 22 Toy ny kavim-bolamena eo amin'ny oron-kisoa Ny vehivavy tsara tarehy tsy manam-pahendrena. [Na: efa niala tamin'ny fahendrena.] 23 Ny soa ihany no irin'ny marina; Fa fahatezerana no fanantenan'ny ratsy fanahy. 24 Misy mahafoy, [Heb. mamafy.] nefa mitombo fananana ihany; Ary misy fatra-pahihitra loatra, [Na: mihazona ny hareny.] nefa tonga malahelo ihany. 25 Izay manisy soa olona hohatavezina; Ary izay mandena dia mba holemana kosa. [Heb. Ary izay mampisotro dia mba hampisotroina kosa.] 26 Izay tsy mamoaka ny variny dia ozonin'ny olona; Fa saotra no ho amin'ny lohan'izay mivarotra. 27 Izay fatra-pikatsaka ny tsara no mitady ny mahafinaritra; Fa izay mitady ny ratsy dia hiharan'izany. 28 Izay matoky ny hareny dia ho lavo; Fa ny marina ho tahaka ny ravina maitso. 29 Izay mampidi-doza amin'ny ankohonany dia mandova ny rivotra; Ary ny adala dia tonga mpanompon'ny hendry. 30 Ny vokatry ny marina dia hazon'aina, Ary ny hendry dia mahataona olona. 31 Indro, ny marina aza dia valiana etư an-tany, Koa mainka fa ny ratsy fanahy sy ny mpanota!