1 Ny zanaka hendry mihaino ny fananaran-drainy; Fa ny mpaniratsira tsy mety mihaino, na dia anarina mafy aza. 2 Ny vokatry ny vavan'ny olona no ahazoany soa; Fa ny hampidi-doza no mahafaly ny mpivadika. 3 Izay mahambim-bava no miaro ny ainy; [Na: ny fanahiny.] Fa izay vavana dia haringana. 4 Ny fanahin'ny kamo maniry, fa tsy mba mahazo; Fa ny fanahin'ny mazoto hohatavezina. 5 Ny lainga dia halan'ny marina; Fa ny ratsy fanahy manao izay maharikoriko sy mahamenatra. 6 Ny fahamarinana miaro izay mandeha tsy misy tsiny; Fa ny haratsiana mamotraka ny mpanota. 7 Misy mihambo ho manan-karena, nefa tsy manana na inona na inona; Misy kosa mody malahelo, nefa manana harena be. 8 Ny haren'ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory. 9 Ny fahazavan'ny marina dia tsara firehitra; [Heb. mifaly.] Fa ny jiron'ny ratsy fanahy ho faty. 10 Fifandirana ihany no vokatry ny fiavonavonana; Fa ao amin'ny mino anatra no misy fahendrena. 11 Ny harena azoazo foana dia mihena lālandava; Fa izay mahavatra mitsimpona no mampitombo. 12 Ny fanantenana tsy azo vetivety dia mankarary am-bavafo; Fa hazon'aina ny faniriana tanteraka. 13 Izay manamavo ny teny ho voasingony; [Na: mahavery tena.] Fa izay matahotra ny didy no hahazo valim-pitia. 14 Ny fampianaran'ny hendry dia loharanon'aina Ka mampivily tsy ho ao amin'ny fandriky ny fahafatesana. 15 Ny fahendrena tsara dia ahazoam-pitia; Fa sarotra ny lālan'ny mpivadika. 16 Ny mahira-tsaina, rehetra miasa amin'ny fahalalana; Fa ny adala kosa mampiseho hadalana. 17 Ny iraka ratsy fanahy idiran-doza; Fa ny iraka mahatoky dia famelombelomana. [Na: fanasitranana.] 18 Fahalahelovana sy henatra no ho an'izay mandā famaizana; Fa izay manaiky anatra no homem-boninahitra. 19 Mamin'ny fo ny faniriana tanteraka; [Na: efa mitranga.] Fa fahavetavetana eo imason'ny adala ny hiala amin'ny ratsy. 20 Izay miara-dia amin'ny hendry dia ho hendry; Fa izay misakaiza amin'ny adala dia hidiran-doza. [Na: ho ratsy.] 21 Ny mpanota dia enjehin'ny loza Fa hovalian-tsoa ny marina. 22 Ny tsara fanahy mahenina lova ny zafiny; Fa ny haren'ny mpanota kosa voatahiry ho an'ny marina. 23 Ny tanin'ny malahelo izay voasa dia ahazoana hanina be; Fa maro no ringana noho ny fanaovany izay tsy rariny. 24 Izay mitsitsy ny tsorakazony dia tsy tia ny zanany; Fa izay tia zanaka dia manafay azy, raha mbola kely. 25 Ny marina mihinana ka voky tsara; Fa noana ny kibon'ny ratsy fanahy.