1 Tsara ny malahelo mandeha tsy misy tsiny Noho izay mandainga amin'ny molony sady adala. 2 Tsy tsara raha tsy manam-pahalalana ny fanahy; Ary izay miezaka mosalahy dia ho diso làlana. 3 Ny fahadalan'ny olona no mahasimba ny alehany, Ka amin'i Jehovah no sosotra ny fony. 4 Ny harena mahamaro sakaiza; Fa ny malahelo afoin'ny sakaizany. 5 Ny vavolombelona mandainga tsy ho afa-tsiny, Ary izay mamoaka lainga tsy ho afa-miala. 6 Maro no mandambolambo andriana; Ary ny olona rehetra samy misakaiza amin'izay mpanome zavatra. 7 Ny malahelo dia halan'ny rahalahiny rehetra, Koa mainka fa ny sakaizany tsy hanalavitra azy va? Manandrandra amin'ny teny tsy misy [Heb. manenjika teny tsy misy.] izy. 8 Izay mihary fahendrena no tia ny tenany, Ary izay mitandrina fahalalana hahita soa. 9 Ny vavolombelona mandainga tsy maintsy hampijalina, Ary ny miteny lainga ho very. 10 Ny ho velona amin'ny fahafinaretana dia tsy tandrifiny ho an'ny adala, Koa mainka izay hanapahan'ny mpanompo ny zanak'andriana. 11 Ny fahendren'ny olona manindry ny fahatezerany, Ary voninahitra ho azy ny tsy mamaly fahadisoana. 12 Ny fahatezeran'ny mpanjaka dia toy ny fieron'ny liona tanora: Fa ny fitiany kosa toy ny ando amin'ny ahitra. 13 Ny zanaka adala mahabe fahoriana ny rainy; Ary ny ady ataon'ny vehivavy dia toy ny rano mitete mandrakariva. 14 Trano sy harena no lova avy amin'ny ray; Fa ny vady hendry kosa dia avy amin'i Jehovah. 15 Ny hakamoana mahasondrian-tory, Ary ho mosarena ny olona malaina. 16 Izay mitandrina ny didy mitandrina ny ainy; [Na: ny fanahiny.] Fa izay tsy mihevitra ny alehany dia ho faty. 17 Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an'i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa. 18 Faizo ny zanakao, fa mbola misy azo antenaina ihany, Nefa aza dia entim-po loatra, fandrao mahafaty azy. 19 Ny lozabe tsy maintsy hampijalina; Ary na dia vonjenao aza izy, dia mbola hanahirana anao ihany indray. 20 Henoy ny saina atolotra, ary raiso ny fananarana, Mba ho hendry hianao amin'izay hiafaranao. [Na: any aoriana.] 21 Maro ny hevitra ao am-pon'ny olona; Fa ny fisainan'i Jehovah no haharitra. 22 Fifaliana amin'ny olona ny manisy soa; Ary aleo ho malahelo toy izay ho mpandainga. 23 Ny fahatahorana an'i Jehovah no ahazoana fiainana; Izay manana izany tsy mba handry fotsy sady tsy hiharan-doza. 24 Ny malaina dia mangarona ny eo an-dovia amin'ny tànany, Nefa ny mampakatra azy ho amin'ny vavany dia tsy zakany. 25 Kapohy ny mpaniratsira, dia ho hendry ny kely saina; Ary anaro ny manan-tsaina, dia hahalala fahendrena izy. 26 Izay mitohatoha amin-drainy sy mandroaka ny reniny Dia zanaka mahamenatra sy mahafabaraka. 27 Anaka, mitsahara tsy hihaino anatra Izay mampanalavitra anao ny tenin'ny fahalalana. [Na: Anaka, raha dia minia manalavitra ny tenin'ny fahalalana hianao, Dia mitsahara tsy hihaino anatra.] 28 Ny vavolombelona ratsy maniratsira ny fitsarana; Ary ny vavan'ny ratsy fanahy mitelina ny ratsy. 29 Vonona ho amin'ny mpaniratsira ny fanamelohana, Ary ny kapoka ho amin'ny lamosin'ny adala.