1 Raha mipetraka hiara-komana amin'ny mpanapaka hianao, Dia hevero tsara izay eo anatrehanao, [Na: anoloanao.] 2 Ka andraso antsy ny tendanao, Raha dia liana loatra hianao. 3 Aza mitsiriritra ny hanim-piny, Fa hani-mamitaka izany. 4 Aza manasa-tena hanan-karena, Aza entina amin'izany ny fahendrenao. 5 Moa hampanarahinao azy va ny masonao, nefa tsy ao intsony izy? Fa maniry elatra tokoa izy Ka manidina toy ny voromahery ho eny amin'ny lanitra. 6 Aza homana ny mofon'izay ratsy fijery, Ary aza mitsiriritra ny hanim-piny; 7 Fa tahaka ny heviny ao am-pony ihany no toetrany Hoy izy aminao: Mihināna, misotroa; Kanjo tsy sitrany hianao. 8 Izay sombiny kely voatelinao aza dia mbola haloanao, Ka ho very foana ny teny mahafinaritra nataonao. 9 Aza miteny amin'[Heb. an-tsofin'.] ny adala; Fa hohamavoiny foana ny fahendren'ny teninao. 10 Aza manakisaka ny fari-tany ela, Ary aza manitatra mankamin'[Heb. miditra amin'.] ny sahan'ny kamboty; 11 Fa mahery ny Mpanavotra azy, Izy no hisolo vava azy amin'ny adiny aminao. 12 Ampiekeo famaizana ny fonao, Sy tenim-pahalalana ny sofinao. 13 Aza tsy manafay zanaka, Fa tsy dia ho faty izy tsy akory na dia asianao ny hazo aza; [Na: fa tsy ho faty izy, raha asianao ny hazo.] 14 Raha mamely azy amin'ny hazo hianao, Dia ho voavonjinao tsy ho any amin'ny fiainan-tsi-hita [Heb. Sheola.] ny fanahiny. 15 Anaka, raha hendry ny fonao, Dia ho faly koa ny foko, dia ny foko; 16 Eny, ho ravoravo ny fanahiko, [Heb. voako.] Raha miteny marina ny molotrao. 17 Aoka tsy hialona ny mpanota ny fonao; Fa matahora an'i Jehovah mandritra ny andro; 18 Fa raha mbola hisy koa ny farany, Dia tsy ho foana ny fanantenanao. 19 Mihainoa hianao, anaka, ka hendre, Ary ampizory amin'ny lālana ny fonao. 20 Aza misakaiza amin'izay mpiboboka divay Sy izay fatra-pitia hena; 21 Fa halahelo izay mpiboboka sy izay fatra-pitia hena; Ary ny fitiavan-torimaso mampitafy voro-damba. 22 Maneke ny rainao izay niteraka anao. Ary aza manamavo ny reninao, saingy efa antitra izy. 23 Vidio ny marina, ka aza amidy, Dia ny fahendrena sy ny fananarana ary ny fahazavan-tsaina. 24 Hifaly dia hifaly ny rain'ny marina, Ary izay miteraka zaza hendry hanam-pifaliana aminy. 25 Aoka ho faly ny rainao sy ny reninao, Eny, aoka ho ravoravo ny reninao izay niteraka anao. 26 Anaka, atolory ahy ny fonao, Ary aoka ny masonao ho faly mijery ny lālako; [Na: Ary aoka ny masonao handinika ny lālako.] 27 Fa ny vehivavy jejo [Heb. vehivavy tsy vadiny.] dia hady lalina, Ary ny vahiny janga lavaka éty; 28 Eny, manotrika toy ny jiolahy ireny Ary mahamaro ny olona mpivadika. 29 An'iza ny Indrisy? An'iza ny Endrey? An'iza ny fifandirana? An'iza ny fitolokoana? An'iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An'iza ny maso mivoara-mena? [Na: manjambena.] 30 An'izay mikikitra amin'ny divay, Eny, an'izay mandeha hanandrana divay voaharoharo zavatra. 31 Aza mijery ny divay noho ny hamenany Sy ny fanganohanony eo anaty gilasy [Heb. kapoaka.] Ary ny fikoriany mahafinaritra; 32 Fa amin'ny farany dia hanaikitra toy ny bibilava izy Ary hanindrona toy ny menarana. 33 Koa ny masonao dia hijery vehivavy jejo, [Heb. vehivavy tsy vadiny.] Ary ny fonao hieritreri-dratsy. [Na: Ny masonao hahita zavatra hafahafa, Ary ny fonao hirediredy foana.] 34 Eny, ho sahala amin'izay mandry ao amin'ny ranomasina hianao Sady ho tahaka izay mandry eo an-tendron'ny andrin-tsambo. 35 Nokapohiny aho, hoy hianao, fa tsy reko naharary ahy, Nandalasiny aho, fa tsy tsaroako; Rahoviana ange aho no hifoha mba hitadiavako azy indray?